Politique

Ranesa Firiana “Mafy loha ny Malagasy kanefa be zavatra takiana”


  • Talata 24 Septambra 2019


 

 

Ny zavatra tsapa eto Antananarivo dia nitombo ny isan’  ny mponina nefa ny fotodrafitrasa ampiasain’  ny vahoaka eto an-drenivohitra dia efa tany amin’ ny Repoblika I. Raha mieritreritra hampivoatra an’ Antananarivo dia mila mijery fotodrafitrsa vaovao hahafahana manatsara ny tanàna sy manatsara ny fiainan’  ny isam-batan’ olona. Olana amin’  izao ny rano fisotro madio satria rano natao ho an’  ny olona enina hetsy teo ny fotodrafitrasa amin’  izao fotoana izao, hoy Ranesa Firiana, mpahay lalàna. Eto Antananarivo anefa mihoatra ny telo tapitrisa ny mponina. Noho izany, tsy mahagaga raha tsy ampy ny rano eto Antananarivo satria mila fotodrafitrasa mifanaraka amin’  izany, hoy izy. Ao anaty fotoam-pifidianana isika amin’  izao fotoana izao, ka ireny zavatra mikasika ny sosialim-bahoaka sy fiainam-bahoaka amin’  ny ankapobeany, ny fandaminana ny tanàna toy ny tsena, ny fiantsoana fiarakodia,…. dia mila fandinihana lalina. Faniriana dia olona manana vina sy drafitra hitondra fampivoarana ho an’ Antananarivo no mitondra ny tanàna, hoy Ranesa Firiana, ary izany no hiriana ho an’ ireo kaominina eto Madagasikara.Nomarihany kosa fa isika malagasy somary mafy loha kanefa maro zavatra takiana. Raha ohatra isika mitady fandaminana dia tsy maintsy mainga avy amin’ ny tsirairay izany rehetra izany. Fa ao anatin’ izay fifanekena fandaminana dia tsy tokony hisy kosa ny fanararaotana, hoy ity mpahay lalàna ity. Ohatra, raha misy « expropriation de propriété d’utilité publique » handaminana ny tanàna na fangalana tanin’  olona dia tokony mipetraka ny voalzan’ ny lalàna fa tsy maintsy misy fanorenana mialoha ary fanonerana ara-drariny atao izay vao miroso amin’ ny fanatsarana izay ary ny rehetra dia tokony samy ho tomponandraikitra. Ny mpitondra sy ny vahoaka dia mila mandray ny andraikiny ka avy eo misy ho azy ny fandaminana. Fa raha misy ny fifanoherana na koa tsy fitovian-kevitra dia eo mety hisy korontana aterak’ izay ka ny vokatr’ izany dia ny tsy fandrosoana, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT