Politique

Randriarimanana Edmond Harison «Osa tampoka ny tontolo ambanivohitra»


  • Zoma 30 Mey 2014

Tanterahina eny amin’ny Malagasy Professionnel de l’Elevage Nanisana amin’izao fotoana izao ny «Foire de l’Elevage et de la Production Animale» na tsenaben’ny fiompiana andiany faha-8. Manodidina ny tontolon’ny ambanivohitra izay indrindra no horesahantsika anio. Vahin’ny Tia Tanindrazana ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana teo aloha Randriarimanana Edmond Harison. Resadresaka.

Tia Tanindrazana (TT) : Ny fijerinao ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana amin’izao fotoana izao ?
Randriarimanana Edmond Harison (REH) :
Tsy ho toy izao mihitsy ny vokatra eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana raha nizotra araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena teto amintsika. Efa nanana taham-pandrosoana ambony mantsy ireo tontolo ireo talohan’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Nisy akony teo amin’ny lafiny ara-toekarem-pirenentsika noho izany ny fahaosana tampoka teo amin’ny tontolon’ny tantsaha. Mbola hita misy fiantraikany ankehitriny moa ireo ezaky ny fitondram-panjakana ara-dalàna talohan’ny 2008 eo amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ireo fitohizan’ireo tetikasa maro notohanan’ireo mpamatsy vola. Nisy akony ratsy kosa anefa ny krizy lavareny tamin’ireo tetikasa novatsian’ny teti-bolam-panjakana izay tsy maharaka intsony nanomboka ny taona 2009. Porofo lehibe amin’izany ny hakelin’ny teti-bola nampiasaina izay tsy nahafahan’ireo teknisiana nidina ifotony nanohana ireo mpamboly sy mpiompy.

TT : Misy antony ifandraisany amin’izay ihany koa ve ny firongatry ny valala ?
RH :
Tena misy mihitsy. Tsy tokony hadinoina fa efa niatrika firongatry ny valala isika tamin’ny taona 1998 vokatry ny krizy tamin’ny 1991 ka ny taona 2002-2003 vao nahatanteraka ny ady amin’ny valala. Mahasarika ireo valala ireo ny ao amin’ny tapany atsimo akaikin’i Betioky noho ny toe-tany. Io antony io rahateo no nametrahana ny CNLA na Foibem-pirenena natokana hiadiana amin’ny valala tao an-toerana. Andraikiny ny fanaraha-maso ny fivoarana sy fitombon’ny valala ary mamono indrindra indrindra ireo kijeja. Io tranga io ihany no iainantsika ankehitriny satria natao ambanin-javatra izany nanomboka ny taona 2009. Tsy afaka niasa araka ny tokony ho izy ny CNLA ka nitombo an’isa ny andiam-balala ary nifindrafindra toerana ka miparitaka manerana ny Faritra maro eto Madagasikara. Efa ho 2 taona no nanomboka niady isika ary mbola haharitra 2 na 3 taona izany vao hiverina amin’ny laoniny. Ny mampalahelo ihany koa dia efa nizotra tany amin’ny fikarohana ho fanefitry ny fitombon’ny valala ny manam-pahaizana Malagasy saingy tsy tafita tany amin’ny famokarana ahafahantsika mifehy ireo kijeja. Mbola toe-javatra mampalahelo ihany koa ny hoe ireo masoivoho vahiny no mitantana ny famatsiam-bola amin’ny ady famonoam-balala eto amintsika.

TT : Inona no soso-kevitra avy aminao ?
RH :
Amiko aloha dia efa tokony haverina amin’ny fitondram-panjakana vaovao ny fitantanana ity ady atao amin’ny valala ity fa mijanona ho mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika amin’izay ny sehatra iraisam-pirenena. Mila hatsangana ihany koa ny Komitim-pirenena miady amin’ny valala satria efa tonga ao Alaotra ny andiam-balala izay tsy mbola nitranga teto Madagasikara. Voatery mampiasa fanafody simika isika aloha izany hoe tsy maintsy mamono bibikely hafa toy ny tantely izay tena ilaintsika amin’ny tontolon’ny fambolena.

TT : Afaka hazavainao misimisy kokoa ve ?
RH :
Ny 90% maherin’ny fambolena eto Madagasikara dia ilaina tantely avokoa. Eo ny vary, karaoty, legioma, voatavo, voankazo sy ny maro hafa. Raha vao tsy misy tantely ireo dia ratsy ny vokatra. Ny Fanondrahana fanafody simika anefa dia mamono tantely. Efa manana olana amin’ny famokarana tantely ihany koa isika amin’ilay aretina varoazy. Na izany matin’ny fanafodim-balala ny tantely na matin’ity aretina ity. Noho io antony io dia manahy ny tenako ny amin’ny fihenan’ny vokatra ara-pambolena eto Madagasikara. Tena asa goavana no miandry antsika taorian’iny krizy iny miaraka amin’ny famonoam-balala izay azo sokajiana ho loza lehibe tena manambana. Mila paikady mazava ny fitondram-panjakana vaovao momba ny fijerena manokana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana tahaka ny nataon’ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny taona 2002-2003 izay vanim-potoana fanaingana ny lafiny ara-toekarena amin’ny ankapobeny niainga tamin’ny tontolo ambanivohitra.

TT : Nisy ny fandaharanasa «Madagasikara AmPerinasa», nanao ahoana ny vokatra raha tanteraka izy iny amin’izao fotoana izao ?
RH :
Ny MAP anie ka Politikam-Panjakana Ankapobeny norafetin’ny filohan’ny Repoblika Ravalomanana Marc hitondrana fampandrosoana ny firenena e. Efa nizorantsika tao anatin’ny fahombiazana daholo mantsy ireo karazana DSRP na Fandaharanasan’ireo paikady fampihenana ny fahantrana ary efa tratrantsika ihany koa ny «Point d’achèvement» na ny fanafoanana manontolo ireo trosan’ny firenena Malagasy. Izay no antony namolavolana ny MAP izay paikady hanatrarana indray harin-karena ambony rehefa vita ny fampihenana ny taham-pahantrana. Ny tombony azo avy amin’io harin-karena ambony io indray no tsinjaraina ara-drariny, izany hoe nomen-danja tanteraka ny lafiny ara-toekarena. Iray tamin’ny Fanamby 8 tao amin’ny MAP ny sehatry ny tontolo ambanivohitra izay havokavoky ny toekarena eto Madagasikara. Raha tsy nisy ny krizin’ny 2009 iny dia efa tsy isalasalana ny nahatratrarantsika ny harin-karena any amin’ny tarehimarika anankiroa.

TT : Inona no azo hamintinana ny resaka natao teo ?
RH :
Midadasika i Madagasikara. Mirefy 30 tapitrisa hekitara no velaran-tantsika azo volena nefa mbola vao ny 10% hatramin’izao no voavolintsika. Tsy mahagaga isika raha mahantra satria mivangongo amin’ilay faritra kely 3 tapitrisa hekitara ireo mpamboly sy mpiompy Malagasy manodidina ny 3 tapitrisa ihany koa. Zara raha mivelona amin’ny hekitara iray na latsaka ny tantsaha eto amintsika. Mitaky fandraisan’andraikity ny fanjakana ny fandaminana tokony hatao momba azy io. Ao anatin’ny fandaharanasan’ny mpitondra vaovao ankehitriny rahateo ny fitiliana ireo toerana ahafahana mampiroborobo ireo sehatra fampandrosoana ka goavana indrindra amin’izany ny tontolo ambanivohitra, ny fambolena sy ny fiompiana. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT