Politique

Randrianjatovo Henri “Raha manala ny praiminisitra i Andry Rajoelina dia azo esorina koa”


  • Talata 12 Febroary 2013

«Tsy mbola ho tanteraka io fifidianana io raha tsy mbola mihatra ny sori-dalana», hoy ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita Rtoa Horace tetsy amin’ny kianja Magro Behoririka omaly.

 Ho an’ny mpandala ny ara-dalàna dia nohamafisin’ireo rehetra nandaha-teny fa ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, izay voarakitra amin’ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana, izay ihany no tanjona. Tsy manana kandida hafa raha tsy efa tonga eto ny filoha Marc Ravalomanana na inona na inona eritreritry ny FAT. Tetsy andanin’izany dia nambaran’ny CST Randrianjatovo Henri fa takian’ny eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny hisiana fivoriana tsy ara-potoana handinihina ny fampihenana ny fahefan’ny filohan’ny FAT fa hanatanjahana ny an’ny praiminisitra.

Raha milaza i Andry Rajoelina fa azo esorina ny praiminisitra dia azo esorina kosa izany ny tenany, hoy ihany Randrianjatovo Henri izay nanamarika fa misy paika politika frantsay ao ambadiky ny fahatongavan’ireo miaramila frantsay eto amintsika. Misy olona tian’i Lafrantsa hapetraka eto, hoy izy hiaro ny tombontsoany satria 3500 ny orinasa frantsay eto ary 25 000 ireo terataniny eto. Ampy ny nanaovan’i Frantsa an’ny kolonely Ratsimandrava, hoy kosa ny CT Ralaimampisainarinony Manoela ka tsy tokony hiverina intsony. Fitoniana sy firaisankina no takiana amin’izao, hoy ihany ireo mpandala ny ara-dalàna.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT