Politique

Randrianjatovo Henri Miha tery ny lalan’i Andry Rajoelina


  • Alarobia 04 Aprily 2012

Vanim-potoana lehibe, fibebahana sy fandinihan-tena handanjalanjana ny zavatra hatao ny herinandro masina.

 Mifanandrify indrindra amin’izany fotoana izany ny fandinihana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka na amnistia. Araka ny fanazavan-dRandrianjatovo Henri, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, dia manomboka miha tery ny lalana ho an’ireo mpanara-dia an’i Andry Rajoelina. Efa betsaka amin’izy ireo, hoy izy, no nanova kabary. Araka ny nambarany dia misy ny fiaraha-midinika eo amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ireo rehetra nanao sonia ny sori-dalana. Mahatsapa ny maro, hoy Randrianjatovo Henri fa mbola any amin’i Dada ny lakile. Ao anatin’ny fandinihana tanteraka ilay volavolan-dalàna ireo Parlemantera ary tsy vitan’ny hoe ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ihany no manao izany fa eo koa ireo mpahay lalàna. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana dia ny famerenana ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana, ny hahazoany handray anjara feno amin’ny raharaha politika toy ny fifidianana no tanjona. Efa sasa-miandry ny hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna ireo mpamatsy vola, hoy ihany Randrianjatovo Henri izay vao afaka hanampy ary efa vonona ho amin’izany izy ireo.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT