Politique

Randrianjatovo Henri «Aza mamita-bahoaka !»


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011

“Tsy fantatra intsony izay tian’i Andry Rajoelina hatao. Manao politika izy kanefa tsy fantany izay tena ataony’, hoy ny solombavambahoakan’i Faratsiho teo aloha, Randrianjatavo Henri.

 Notanisain’ity solontenan’ny ankolafy Ravalomanana ity avokoa moa ny zavatra niseho. Teo, ohatra, ny avy tany Maputo izay nandavan’i Andry Rajoelina ny sonia fanekena nataony. Taorian’i Sandton indray, araka ny fanazavana dia nilaza i Andry Rajoelina fa miandry ny fanitsiana ho an’ny tondrozotra. Avy eo indray dia milaza fa hampanao sonia ny tondrozotra tsy hiandry ny Sadc. Raha ny fahitan’i Henri Randrianjatovo anefa dia tsy fantatra izay tena tondrozotra hosoniavina.

Manoloana izany fifamahofahoan-javatra sy fivadibadihan-dela ataon’i Andry Rajoelina izany dia miantso ny FAT ny tenany tsy hamita-bahoaka ary mino izahay, hoy ity solombavambahoaka ity fa tsy hanaiky hofitapitahina intsony ny vahoaka. Ho an’ny Ankolafy 3, raha ny fanazavana ihany dia ny fanitsiana efatra no tian’izy ireo entina dia ny momba ny fodian’ireo sesitany politika rehetra tsy misy alaharo, ny fivoahan’ireo gadra politika, ny famoahana ireo haino amanjery sy gazety nidin’ny FAT ary ny fametrahana tetezamita iraisana tsy momba ny atsy na aroa. Miandry izay hotapahin’ny Troika koa ny Ankolafy 3. Araka izany dia tsy mahalala afa tsy ny tapaka tany Sandton ireto farany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT