Politique

Randrianazanany Victor Lalao Avelao hody malalaka i Dada


  • Alakamisy 22 Desambra 2011

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny Randrianazanany Victor Lalao, mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fitaterana no sady zanaky ny taona 1947.

 Nambarany fa efa lalim-paka loatra ny fahoriana mihatra amin’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana noho ny fiakaran’ny vidim-piainana ka tokony samy hijery izay fomba hamahana izany ireo tomponandraikitra rehetra, indrindra fa ny fitondrana FAT mba ho tombontsoan’ny firenena. Nasiany teny ihany koa ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana izay tsy tokony hisy olana raha misy marina ny fanarahana ny tondrozotra. Nambaran’ity mpandraharaha iray ity ary fa tokony ho afaka miditra malalaka i Dada satria zony izany. Ho an’ireo tsy tia, hoy izy, dia tokony hipetraka amim-pahendrena sy amim-pilaminana raha fitsenana tsy misy korontana kosa no takiana amin’ireo zanany izay mbola maro an’isa. Antso avo, araka izany, no hataon-dRandrianazanany amin’ny fitondrana FAT mba hanaraka izay voalazan’ny tondrozotra. Mety hifototra any amin’ny FAT ihany mantsy, hoy ihany ity mpandraharaha ity izao hataony izao raha tsy mahay mamindra izy ireo. Farany dia manao antso avo amin’ny FFKM ity Raiamandreny ity mba hanao fotoam-pivavahana lehibe eo amin’ny kianjan’i Mahamasina ho fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana sy hisian’ny fifamelan-keloka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT