“Avy amin’ireny famoahana fanambarana nilaza ny fanomezana amnistia ho an’ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ny raharaha FIGN ireny no afahana milaza fa mba nahitana taratra kely amin’ny firosoana amin’ny fitoniana ny fihetsika ataon’ny fitondrana tetezamita”, hoy ny CT Randrianasolondrabe Eric avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, saingy mbola antenain’ny vahoaka hatrany ny hitaran’izany bebe kokoa hatrany amin’ny famohana ireo haino aman-jery nakatona tamin’izao tetezamita izao. Rehefa vita daholo izany vao tokony hiresaka fanomanana fifidianana satria izay vao misy taratra fitoniana. Amin’ity CT avy any amin’ny Faritr’i Sofia ity dia tsy tokony ho maimaika hamoaka datim-pifidianana ny CENI-T fa tsy hisy fifidianana izany eto raha tsy misy ny fitoniana ara-politika, tanteraka ny fampihavanana tarihan’ireo Raiamandreny FFKM.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.