Politique

Randrianasolo Nicolas Mamaky ady amin-dRavalomanana koa


  • Alakamisy 07 Aprily 2016

Tena mambotry ny firenena ny ataon'ny mpanao politika sasany amin'ny fitarihana ny vahoaka hidina an-dalambe hanongam-panjakana indray, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas omaly.




Tsy miaro fahatany ny fanjakana izahay fa tsy maintsy manaraka ny zava-misy ka sahy milaza marina fa olom-bitsy no mahazo tombontsoa amin'izany fa ny rehetra matin'ny vola kely tsy mahavita taona akory. Ambarako, hoy Randrianasolo Nicolas, fa tsy tia Tanindrazana ny mpanao politika mambotry vahoaka. Mikasika ny resaka fanovana governemanta resahana be ankehitriny dia nambarany  fa tokony hatao raha vao tafatsangana ny rafitra loholona nefa dia anjaran'ny Filohan'ny Repoblika ny manapa-kevitra amin'izany fa tsy isika no ndeha hanery azy amin'ny tokony hataony. Izaho kosa mahita fa misy minisitra tsy afaka hifanaraka amin'ny fanatanterahana ny praograman'ny Filoha Rajaonarimampianina intsony ao. Ny olona efa nanohana ny filoha hatrany am-boalohany ihany no afaka hanatanteraka ireo programan'asany  ireo fa tsy izay misisika manao sotrokely mitady toerana fotsiny akory, hoy izy. Tsy mankasitraka ny fihetsiky ny  filoha teo aloha Marc Ravalomananana ihany koa Randrianasolo Nicolas ary nasiaka fitenenana nilaza fa olona sarotra hifampiraharahana ity filoha teo aloha ity. Ny filoham-pirenentsika ankehitriny moa olona Pasitera toetra ka atao akory, hoy izy. Tsy tokony hanaovana "sentiment" ny resaka politika, raha ny hevitr’ity depioten’i Betroka ity. Mety ny mitsikera fitondrana kanefa mila hampiana izy ao anatin'izany ary aleo hanapitra ny "mandat"-ny kely sisa dia miatrika fifidianana indray fa tsy hanao  barofo sanatria.

Rabri


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT