Nahatsiaro ho tohina tamin’ny fanehoan-kevitra nataon’Atoa Randrianasolo Jean Nicolas
, solombavambahoakan’i Betroka tao amin’ny fandaharana iray tao amin’ny haino aman-jerim-pirenena ireo Raiamandreny na “Lonaky” sasany any amin’ny faritr’i Betroka iny. Nandritra ny fanehoan-kevitra nataon’ity olomboafidy ity dia maro no nahatsikaritra ny finiavany toa tsy te hankato ny maha “Lonaky” ny Raiamandreny sasany. Maneho ny heviny momba ny toerana maha Lonaky moa ny printsy Alimana Rémi izay sady lehiben’ny dinan’i Mangoky any amin’ny faritra misy azy no lonaky ny zana-poko Zafimarozaha ihany koa. « Ny maha lonaky dia tsy andraikitra raisina amin’ny alalan’ny fifidianana toy ny filoham-pokontany na solombavambahoaka fa laharana tandrify ny olona iray amin’ny teraka nivoahany ka ny taonany sy ny laharan’ny ray aman-dreny niteraka no jerena ihany ».
Ankehitriny mantsy dia manahirana ny olomboafidy sy ny mpanao politika any amin’ny faritra atsimo, indrindra ny andraikitra raisin’ny Raiamandreny sy ny dina noho izy ireo nanjary to teny amin’ny fiarahamonina rehefa tsy natoky ny fanjakana misy intsony ny vahoaka tsy mandady harona, hany ka atahoran’ireo olomboafidy sasany ny mety hampitodi-damosina ireny lokony ireny ihany koa rehefa hita fa tena tsy hahomby ilay zanaka na dia be politika aza.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.