Politique

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »


  • Zoma 13 Septambra 2019

Antoko manana solombavambahoaka voafidy eny amin’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ny GJMP « Groupement des jeunes Malgaches Patriotiques” tarihako, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas.

 

 

 Rariny raha mandrotsaka kandida hofidiana ho ben’ny tanàna ihany koa izy. Ny 85%, hoy izy, dia ho kandida  GJMP madiodio toy ny ao Betroka an-tampon-tanàna, Ihosy sy ao Vohibe kaominin’i Maropaiky. Ny kandida 15 %  kosa dia ho fiaraha-miasa amin’ny antoko politika rahavavy. Ny tanjona, hoy ihany ity depiote ity, dia ny hampandrosoana an’i Madagasikara sy ny Malagasy ka andraikitry ny antoko politika eto amintsika ny miatrika  fifidianana mba hanana olom-boafidy ho sahy sy afaka miteny maneho ny fahaiza-manao hampandrosoana an’i Madagasikara fa tsy hoe karazana olona mitabataba fotsiny mba hahazoana seza. Vonona ny tenako amin’ny maha solombavambahoaka ahy , hoy ny depiote Nicolas, hitady lalam-bola amin’ny fiaraha-miasa mivantana amin’ny any ivelany any « Jumelage » ho an’ny 80 %-n’ny ben’ny tanàna  GJMP ho lany eo fa tsy hiantehatra fotsiny amin’ny fanampiana « Subvention » homen’ny fanjakana. Izahay GJMP aloha hatreto, hoy izy, tsy mbola afaka milaza na nahavita na tsy nahavita ny mpitondra ankehitriny fa aoka ny vahoaka no hitsara azy ireo. Adidinay kosa ny mampahatsiahy an’ireo fampanantenana natao nandritra ny fampielezan-kevitra nilazana fa hohatsaraina ny lalana sy ny tanànan’i Betroka, hovitaina ny RN 13 sy ny lalana mankany Mahabo ary mahatoky ahy amin’izany ireo vahoaka nifidy ahy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT