Efa nambaran’ny Cenit foibe fa tsy misy kandidam-panjakana amin’ity fifidianana solombavambahoaka 2019 ity fa mitovy avokoa rehefa nirotsaka hofidiana.
Mbola nandeha ihany anefa ny ramatahora natao tamin’ireo mpiasam-panjakana ny hanalana azy amin’ny toerany raha tsy manohana ny kandida tohanan’ireo milaza azy ho teknisiana sy mpandraharaha any Betroka ary dia notanterahin’ny Lehiben’ny distrika vaovao any an-toerana mihitsy ny fanesorana amin’ny toerany an’ireo delegem-panjakana rehetra tsy nety nanaraka baiko omaly alarobia 10 aprily 2019. Mampametra-panontaniana ihany, hoy ity kandida n° 4 any amin’ny distrikan’i Betroka ny ataon’ny Cenit sy ireo mpanara-maso ny fifidianana amin’ny trangan-javatra miseho any Betroka amin’izao ankatoky ny fampielezan-kevitra izao. Na ho inona na ho inona anefa fandrahonana atao dia tsy hihemotra ny kandida Randrianasola Jean Nicolas sy ny mpiray lisitra aminy, hoy izy fa tsy mifidy antoko politika i Betroka amin’ity fifidianana hatrehana ity fa hifidy toeratran’olona. Raha ny filazana fa resaka dahalo foana no ao an-tsain’ny olona rehefa miresaka an’i Betroka dia ambarako fa misy mpitandro ny filaminana mahefa miady aminy any an-toerana fa tsy asan’ny depiote izany. Inona no nataon’ireo olona nilaza izany nefa izy ireo samy tompon’andraikitra ara-panjakana teto amin’ny firenena sy any Betroka avokoa ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.