Politique

Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka Tsy ho voavidim-bola izany mihitsy aho


  • Alarobia 04 Aprily 2012

Ny zavatra tahaka izao dinihanay ety Tsimbazaza amin’izao fotoana izao dia misy tambitambiny isan-kararany, hoy ny CT avy any Betroka Nicolas Randrianasolo Jean Nicolas,ary izay no tena manimba ilay mpanao politika hatrizay, voarebireby ara-bola foana izany.

Dia tsy tanteraka avy eo ny foto-kevitra maha-ianao anao fa voabaikon’izay fitiava-tena ara-bola izay izany ka izay zavatra izay tokony tsy ho ekena intsony (nisy iany tamin’ny fandaniana ny lalàn’ny fitantanam-bola sy lalàn’ny famotsoran-keloka ihany koa). Ka ho anay vao manomboka misandratra amin’ny fanaovana politika itony dia tsy mety ho voarebirebin’izay izany ny saiko, hoy ihany ny CT Nicolas, tsy voabaiko izany ny saiko fa afaka manontany tsara hoe : inona no zavatra ho tapahina eo Mety amiko ve ny volavolan-dalàna natolotry ny governemanta ? Izaho izany no tompon-tsafidy fa tsy voabaikobaikon’iza na iza.

Na inona hevitra voizina hoe : misy « cauce côtière » ê ! sns… dia tsy raharahiko izany fa ny foto-kevitro no tanterahiko. Izaho CT Nicolas Randrianasolo izany dia tsy voarabirabin’ny vola izany fa rehefa hita fa nisy hadisoana nataon’ny mpitondra teo aloha izany (famonoana olona tsy an-drariny, fanodikondinana volam-bahoaka sns…) dia tsy izaho mihitsy no hanome azy ireo ny famotsoran-keloka izany. Tsy maintsy asiana ady hevitra io volavolan-dalàna io ka mety ahitsy na hovana fa azo atao izany. Nijoroana vavolombelona tamin’ny mpanao gazety moa ny antsojay azony tamin’ny fotoam-pitondran’ny filoha Marc Ravalomanana ka tsy hihatsarany ivelatsihy, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT