Tafapetraka soa aman-tsara teny amin’ny Ovec ny Boriborintany faha-2 teny Andohan’i Mandroseza ny sabotsy 9 martsa teo ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka amin’ny 27 mey 2019 izao ny kandida TIM K 25
tarihan’ny lohalisitra Randrianarisoa Stanislas na Rastany izay efa depiote teo aloha ihany fa hanavao ny “mandat” indray ho eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza raha sitraky ny vahoaka. Tsy dia be teny ny lehilahy taorian’izany fametrahany antontan-taratasy izany fa nanipika kosa fa be no vita tamin’ny fiarovana ny zava-notakian’ny vahoaka sy ny fiahiana azy ireo manokana tamin’ny “mandat” voalohany vitako ka dia anjaran’ny vahoaka no mitsara izany ary mino aho fa mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasa matototra amiko sy izany vahoakan’ny Boriborintany faha-2 izany, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.