Maika dia maika ny fametrahana ny fitoniana eto Madagasikara amin’izao fotoana, hoy Randrianarisetra Emima, mpandrindram-paritry ny GFFM (Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara) ao Vakinankaratra amin’izao fotoana.
Amin’ity mpanao politika ity dia ny fitoniana ara-politika no tena maika mialoha ny fifidianana. Takiana koa hoy izy ny fampiharana manontolo ny tondrozotra, izay antoka hisian’izay fitoniana izay. Tsy vao izao ity mpanao politika ity no nitaky sy nangataka ny fampiharana ny tondrozotra izay, fa fony izy mbola nitarika ny antoko TGV Antsirabe dia tsy sasatra nitaky izany ny tenany saingy nankahalan’ireo mpikambana namany aza izy. Tamin’izany fotoana izany no efa nangatahany ny tokony hampodiana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny hanokafana ny orinasa Tiko mba hampihena ny fahasahiranam-bahoaka, saingy vavabe sy levilevy no azony tamin’ny TGV, ka nilazany tsy misy ny fihainoan’ny any ambony ny fototra ka dia naleony miara-dia amin’ny Pastera Mailhol ao amin’ny GFFM ankehitriny.
Naveriny hatrany fa tsy olana ho azy ireo ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana satria efa samy tsy mirotsaka hofidiana avokoa izy roalahy dia tokony halalaka amin’izay ny fodiany. Ary nambarany fa tokony havela halalaka amin’ny asany ny fitsarana ka izy ireo no mijery ny momba izany, nefa moa efa nilaza ihany koa ny SADC fa samy omena amnistia i Andry Rajoelina sy ny filoha Marc Ravalomanana, ka tsy misy tokony hisakanana intsony ny fodiany. Ho azy, araka ny nambarany ihany, dia ny hipetraka ho elanelam-panahy ka ho mpampihavana no hataony manomboka izao fa tsy politikan’ny seza toy ny ataon’ny maro.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.