Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio Atoa Randrianarimalala Julien, mpanolotsaina manokan’ny Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria Botozaza Pierrot mipetraka any Amoron’i Mania sady mpandrindra ny hetsiky ny Zanak’i Dada ao amin’ny Distrikan’Ambositra. Hiompana manontolo amin’ny sehatry ny politika sy ny toe-draharaham-pirenena ny fanadihadiana niarahana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Tototry ny resaka politika ny tontolon’ny toekarena tato ho ato. Araka ny hevitrao, lasa nirona nanao politika koa ve ny mpahay toekarena ?
Randrianarimalala Julien (RJ) : Marina tokoa ny voalazanao fa malaza ankehitriny ny resaka politika eto amin’ny firenentsika, olom-pirenena toy ny rehetra manaraka izany izahay ao amin’ny Primatiora lefitra misahana ny toekarena sy ny Indostria ao. Ambarako anao fa ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana izahay ary manohana 100% an-dRamatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy. Fantatray ny nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana izay nampandroso ny sehatry ny toekarena teto ka mila tohizana izany mba hisian’ny fampandrosoana tena mirindra eto Madagasikara.
(TT) : Hatraiza anefa ny fahafantaran’Amoron’i Mania an’i Neny Lalao Ravalomanana amin’izao firotsahany hofidiana ho Filoham-pirenena izao ?
(RJ) : Mahafantatra tsara an’i Neny ny vahoaka aty Amoron’i Mania. Izahay mpitarika indray aza indraindray no tara amin’ny fisian’izany ka amiko dia tsy sarotra ny hampandany azy amin’io fifidianana io. Tsoriko aminao fa diso fanantenana noho ny nataon’ity fitondrana tetezamita ity ny vahoaka, ka mahatsiaro ireo asa fampandrosoana maro nataon’ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ka maro no milaza fa aleo miverina amin’ny fitondran-dRavalomanana ihany fa mijaly ny vahoaka, ary i Neny no lalana hahatongavana amin’izany. Maro anie ireo fampanantenana nataon’ity fitondrana tetezamita ity hatao eto Amoron’i Mania nefa tsy nisy tanteraka. Ho anay dia tsy adala akory ny vahoaka fa mahalala tsara izay nanasoa azy.
(TT) : Ahoana anefa ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ?
(RJ) : Mbola manjavozavo aloha izao ny toe-draharaha. Araka ny fahitako azy dia hilamina ihany io raha misy ny finiavan’ny mpitondra sy ny mpanao politika hiova. Iarahantsika mahita ny fahavoazana naterak’ity fitondrana tetezamita ity. Maro ny endrika fanararaotana niseho teto nandritra izay efa-taona izay. Tsy tokony hanaiky ny hitohizan’izany intsony ny Malagasy satria mafy ny niainana azy. Ho anay manohana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana dia mitsipaka marindrano ny fivarotan-tanindrazana amin’ny endriny rehetra. Tsy ekena ihany koa ny handrombahan’ny olona sasany ity tanindrazana ity, tsy azo amidy vola, sy atakalo satria hitsinjovanay ny taranaka mifandimby. Tsy misy afaka hametraka izany fahamarinana izany afa-tsy Rtoa Lalao Ravalomanana ihany.
(TT) : Amin’ny maha-mpandrindra ny hetsiky Zanak’i Dada anao ato amin’ny Distrika Ambositra, mby aiza ianareo izao amin’ny fiomanana hiatrehana ny fifidianana ?
(RJ) : Hatramin’ny nahafantarana fa nirotsaka hofidiana i Neny dia efa nametraka ny paik’ady hampandaniana azy izahay ary faly satria maro ny mpanohana an’ny Filoha Ravalomanana ato amin’ny Distrikan’Ambositra tsy nivadika. Mikasika ny fiomanana indray dia efa hiroso amin’ny fametrahana ireo rafitra isan-tokony eny anivon’ny Kaominina 23 ato amin’ny Distrika izahay izao satria efa tafatsangana ny mpandrindra ato anatin’ny Distrika tsirairay. Tsy lany olomanga izahay ary matoky fa tsy sarotra ny hampandany an’i Neny aty Ambositra fa lamina vitsivitsy fotsiny no arindra mandritra ny fampielezan-kevitra dia miroso tsa mipody koa. Efa maro rahateo ny vahoaka aty Amoron’i Mania no miandry ny fitsidihan’i Neny ka azoko antoka fa tsy sarotra ny hampandany azy.
(TT) : Teny hamaranatsika ny dinidinika ?
(RJ) : Ho an’ireo mpanao politika aloha dia tsiahiviko eto fa efa tamin’ny taona 2012 aho no niantso ny hisian’ny fampihavanana mialoha ny fifidianana. Zava-dehibe io fihavanana io satria mikatso avokoa ny zava-drehetra raha tsy tanteraka io. Lalana hivoahantsika amin’izao krizy izao io fampihavanana io izay mitaky finiavana vao mandroso i Madagasikara. Ho antsika vahoaka ato amin’ny Faritra Amoron’i Mania indray dia fantatsika avokoa ireo kandida matanjaka ireo, efa nitondra avokoa izy ireo afa-tsy i Neny ka aza mijery ireo kabary tsara rindra hataon’ireo fa jereo sy ampitahao ny zava-bitan’ny teo aloha satria ny atao ihany ro hita. Samia mahatsiaro tena sy mandanjalanja tsara izay hofidiana fa iankinan’ny hoavin’ny firenentsika izay ho lany eo. Farany, miantso ny SADC sy ny fikambanana iraisam-pirenena aho mba handinika tsara izay fanapahan-kevitra raisina ho an’i Madagasikara fa miteraka korontana indray ny fandaminana ataonareo.
Nangonin’i Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.