Randrianarimalala Julien

> Mila mailo isika amin’ny fiarovana ny safidim-bahoaka


  • Alatsinainy 04 Novambra 2013

Tsy nampitsanga-menatra ny isam-bato azon’ny kandidan’ny Avana tohanan’ny ankolafy Ravalomanana tao Ambositra sy Amoron’i Mania, hoy ny mpandrindra ny Zanak’i Dada ao amin’ny Distrikan’Ambositra, Atoa Randrianarimalala Julien.

Nankasitraka ireo vahoaka nifidy ity kandida ity tao amin’ny Distrikan’Ambositra sy Amoron’i Mania ny tenany no mbola nanentana ireo mpifidy tsy mbola nifidy tamin’iny fihodinana voalohany iny mba hampiditra ny anarany ao anaty lisi-pifidianana hiatrehana ny fihodinana faharoa. Mikasika ny voka-pifidianana izay efa miharihary fa tena safidim-bahoaka marina no miseho amin’izao fotoana izao dia niantso ny tompon’andraikitra mikarakara ny fifidianana rehetra ny tenany mba hanaja izany safidim-bahoaka izany. Tokony ho mailo ihany koa isika vahoaka, hoy ihany Randrianarimalala Julien hiaro ny safidintsika satria mandady ny trambo araka ny zava-misy heno etsy sy eroa. Tsiahivina fa nahazo salan’isam-bato 13,03% ny Dokotera Robinson tao amin’ny Distrikan’Ambositra.

 

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT