Anio talata 17 mey indray ry zareo ao amin’ny vaomieran’ny fampihavanam-pirenena sy famontsoran-keloka no hiverina hivory ao anatin’ny asam-baomiera eny Tsimbazaza ka hanapa-kevitra ny amin’ny tolo-dalŕna mikasika ny CFM (Conseil du Fampihavanana Malagasy) rehefa nanomboka izany tamin’ny herinandro lasa teo.
Mbola firesadresahana tamin’ireo teknisianina manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny lalàna no natrehan’ity vaomiera ity teny Tsimbazaza teny tamin’izany. Anisan’ny nifampiresaka nivantana tamin’izy ireo ohatra Atoa Honoré Rakotomanana. « Nahafa-po tamin’ny ankapobeny ny fanazavana nomen’ity mpahay lalàna ity anay tamin’ny alakamisy 12 mey teo », hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sady mpandrindra nasionalin’ny HPM ary filoha lefitra nasionalin’ny Antoko Challenger, Randrianantoanina dit Jean Biya. Tenin’olona tsy momba ny atsy na ny aroa no heno, hoy izy, fanazavana nahitsy, marina ary nadio sy tsy nihambahamba nanome fanakianana ihany koa. Niavaka, hoy ity CT ity, ny fanamarihana nomeny ny amin’ny hoe «aza manoro vilana ny filoha izay mitantana isika» sy ny hoe «mbola misy ny te hiditra amin’ny sivana». Voazavany ara-pomba teknika tao ny amin’ny hevitry ny hoe famotsoran-keloka faobe, «élargie» na «sectoriel» izay miankina amin’ny zava-misy fa tsy hoe rehefa tondroina molotra dia tsy hahazo izany, hoy ihany izy. Mbola nomarihan’Atoa Honoré Rakotomanana tao fa «Annulation de fait» ny tany amin’ny fifanarahan’i Maputo fa amin’ny resaka «amnisitie» kosa dia olona voaheloka no mahazo izany.
Voatenin’ity mpahay lalàna ity koa ny amin’ny fikatsahana ny resaka fitoniana ara-politika. Mbola tazana teo amin’ny fametraham-panontaniana nataon’ireo mpikamban’ny Kongresy ny fisian’ny sasantsasany amin’izy ireo efa manana hevitra masaka mialoha ao an-tsainy ka tsy mihevi-draharaha araka ny fomba teknika indraindray. «Hevitra hiarahako manana ny tokony hirosoana ny fikatsahana fitoniana fa matoa takiana ny fampihavanam-pirenena dia misy foana ny mamboly fifandrafiana noho ny fitiava-tena sy fialonana ka ezahina ilay olona tsy mitovy hevitra amin’ny tena mba tsy hitsangana, bahanana ka tsy mahatonga fitoniana izany», hoy i Jean Biya. Efa mazava, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana vao nofidiana teo, hoy izy, fa ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita no manao lalàna aloha mba hirosoana amin’ny fitoniana eto ary mba tsy hisian’ny fandavana ny voka-pifidianana any aoriana. Azo fintinina ho 3 ny fisian’ny disadisa ka mahatonga antsika mikorontan-dava tsy misy fihavanana. Voalohany, misy ny katramo, na fanambakana amin’ny fitantanana ny toekarena, sosialy … fa tsy misy ny fitsinjaran-toerana mitovy sy ny fifandanjam-paritra. Faharoa ny fitaka : hafa ny lazain’ny vava ary hafa ny ataon’ny tanana. Fahatelo, ny vandy na ilay tantara tsy marina no ampianarina ka lasa mifandrafy ny rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.