Nandritra ny kongresim-paritra nataon’ny fikambanana Fampandrosoana Mirindra, tarihin’ny depioten’i Tôlagnaro teo aloha, Randrianantenaina Bruno Josvah, no nilazany fa tokony hahatsiaro tena amin’ny tsy fahaizany mitantana i Andry Rajoelina fa efa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny raraharaham-pirenena.
Noraisiny ho ohatra amin’izany tsy fandriampahalemana misy any atsimo izay efa mampiraviravy tanana ireo Malagasy any. Tsy nisorona ity solombavambahoka teo aloha ity raha naneho ny heviny mahakasika ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana. Tsy izy rehetra fa misy ny mamoritra vahoaka any ambanivolo any. Voalazany fa misy amin’izy ireo tsy menatra ny mitaky vola amin’ireo tambanivolo. Apetraka ny andrimasompokonolona isaky ny Kaominina, hoy izy. Raha nahay i Andry Rajoelina tokony handraisany fepetra hatramin’ny ela izao olana misy eto amin’ny firenena izao, hoy Randrianantenaina Bruno Josvah.
Izao gaboraraka misy izao dia midika ho fahalemen’ny fanjakana. Aminy, tokony hametra-pialana izay rehetra tompon’antoka amin’izao fitondrana tetezamita izao. Ny zoma 31 aogositra teo no notanterahina ny kongresy ary saika nahitana solontena avokoa ireo Kaominina 20 amin’ny 21 nasaina. Nisy ny tatitry ny asa vita ara-tsosialy sy ny vina hataon’ny fikambanana. Na tsy nivantana aza ny tenin-dRandrianantenaina Bruno Josvah dia tsikaritra fa mbola hilatsaka hofidina ho solombavambahoaka ny tenany amin’ny fifidianana ho avy eo.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.