Rafitra iray lehibe voafaritry ny tondrozotra mazava ny atao hoe CES, hoy ny MCT Randrianaivo Eric, ka heverina fa tena manana ny maha-izy azy ary tokony hananan’ny rehetra fitokisana.
Eo indrindra no apetraka amin’ny rehetra ny fanontaniana hoe : moa ve ny vahoaka malagasy tsy efa nanaiky izay didy navoakany tamin’ireny tsy fitenenana firy ireny taorian’ny namoahan-dry zareo izany didy izany ? Fa ny mpanao politika no ampy fitokisana azy ireo ka nitaky niaraka tamin’ny iraisam-pirenena an’izao fanovana ny mpikambana ao aminy izao. Ny mampisalasala ao anatin’izany, hoy ity MCT avy eto Analamanga ity, dia hoe raha mitsangana tokoa àry ilay CES Vaovao dia ho sahy tokoa hanilikilika an’ireo kandidà telo manana olona avokoa ary matanjaka be ? Ho hafa kokoa ny fipetrany raha navela handrava izay didy navoakany aloha ireo mpikambana CES taloha dia ho azo antoka tanteraka izay havoakan’ireto vaovao. Ny tena fototry ny olana ho antsika Malagasy mantsy, hoy ny MCT Eric, dia izy mianaka (Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina). Efa nilamina anefa ny resaka, hoy izy, rehefa samy nanaiky ny hiroso amin’ny fanatanterahana fifidianana izy ireo ka ny vahaolana izany dia ny fampanekena ny Iraisam-pirenena satria ny Gasy efa samy manaiky.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.