Rafitra iray lehibe voafaritry ny tondrozotra mazava ny CES, hoy ny CT Randrianaivo Eric, ka heverina fa manana ny maha-izy azy ary tokony hananan’ny rehetra fitokisana.
Eo indrindra no apetraka amin’ny rehetra ny fanontaniana hoe : moa ve ny vahoaka malagasy tsy efa nanaiky izay didy navoakany fa ny mpanao politika no tsy ampy fitokisana azy ireo ka nitaky niaraka tamin’ny Iraisam-pirenena an’izao fanovana ny mpikambana ao aminy izao ? Ny mampisalasala ao anatin’izany, hoy ity CT avy eto Analamanga ity, dia hoe mitsangana tokoa àry ity ilay CES Vaovao dia ho sahy tokoa hanilikilika an’ireo kandidà telo manana olona avokoa ary matanjaka be ve ireo mpikambana ao ? Ho hafa kokoa ny fipetrany raha navela handrava izay didy navoakany aloha ireo mpikambana CES taloha dia ho azo antoka tanteraka izay havoakan’ireto vaovao. Ny tena fototry ny olana ho antsika Malagasy mantsy, hoy ny CT Randrianaivo Eric dia izy mianaka (Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina). Efa nilamina anefa ny resaka rehefa samy nanaiky ny hiroso amin’ny fanatanterahana fifidianana izy ireo ka ny vahaolana izany dia ny fampanekena ny Iraisam-pirenena satria ny Gasy efa samy manaiky, hoy ity CT ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.