Tsy vao androany no nisy fihaonana teo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina fa efa nisy hatramin’izay.
Ny fampiharana izay fanapahan-kevitra tapaka no tsy misy mihitsy, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Randriampilamanana Rostand. Tsy manantena na inona na inona amin’izay ho fihaonan’i Andry Rajoelina sy ny prezidà Marc Ravalomanana asain’ny SADC tanterahina ny tenany. Raha mbola io olona io no mitantana ny tetezamita dia ny eo ihany no eo. Tsara ny vahaolana tany Maputo, tsara koa io tondrozotra io fa ny tsy fahasahiana mampihatra ny zavatra tapaka sy ny nosoniavina no olana eto, hoy izy. Raha olona tsy manana fahasahiana hampihatra ny zavatra nekena no resahana, tsy tokony handany andro amin’izany isika, hoy hatrany izy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.