Tsy mankasitraka velively ny amin’ny adivarotra tombontsoa ataon’ny solombavambahoakantsika ankehitriny ny tenako, hoy Atoa Randriampilamanana Rostand avy any Ihorombe.
Tena lany andro amin’izany resaka izany isika ka mihatara ny fanombohana ny ezaka ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Tokony hosoratana mazava ao anaty lalàmpanorenana izay karama sy tombontsoan’ny olomboafidy izany dia tsy mila kitikitihana intsony ka izay sahy no miditra. Manodidina ny tontolo politika amin’ny ankapobeny dia nilaza ity mpanao politika ity fa mbola mijoro tanteraka amin’ny foto-kevitra mandala ny filaminana sy fandriampahalemana ry zareo ao amin’ny SAPPS (Solidarité des Acteurs Politiques pour la Paix et la Stabilité) izay izy no mpitondra teny. Izahay dia mankasitraka ny fandeferan’ny mpanao politika amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy misy ny tonga lafatra ka izahay dia mbola manantena zavatra amin’ny mpitondra fanjakana izahay amin’ny fampodiana ireo sesitany politika sy famoahana ireo gadra politika antoky ny fitoniana eto amintsika. Ny filoham-pirenena mahafantatra fa efa voafaritry ny tondrozotra lasa lalàna izany rehetra izany ka manantena ny fahendreny amin’izay fotoana mahamety azy araka ny teniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.