Politique

Randriampilamanana Rostand Tokony hiaraka ny famotsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena


  • Alarobia 04 Aprily 2012

Tsy afa-misaraka amin’ny fampihavanam-pirenena ny lalàn’ny famotsoran-keloka satria mitovy ny asan’ireo, hoy Randriampilamanana Rostand ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita.

 Koa rehefa nanome ny volavolan-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka dia tokony nampiarahana amin’io koa ny volavolan-dalàna fampijoroana ny fampihavanam-pirenena, hoy ity farany. Naneho ny ahiahiny koa ity Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, ka nilaza fa ny fiovaovan’ilay rijateny dia efa mampiahiahy. Nahazo volavolan-dalàm-pamotsoran-keloka izahay tamin’ny herinandro lasa iny, dia ity indray izao «misy fehezan-teny miovaova». Manentana izahay, hoy Randriampilamanana Rostand, mba handeha mahitsy tsara, araka ny kabarin’ny filoha Mamy Rakotoarivelo ireny ny zavatra tapahana eto mba tsy hamela holatra vaovao na hamela ratra vaovao fa zavatra hitondra mankany amin’ny fampitoniana, mitondra mankany amin’ny vahaolana maharitra. Ka ho anay izany, dia aleonay mijanona ary misintaka rehefa tsy izay.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT