Politique

Randriampilamanana Rostand Tena misy kajikajy ny fialanay sy fidiranay ao an-dapa


  • Alarobia 22 Aogositra 2012

Ho anay ankolafy Ravalomanana, hoy ny CT Randriampilamanana Rostand, dia manaraka ny toromarika avy amin’ny mpitarika anay izaha dia ny filoha Marc Ravalomanana.

 Rehefa izy no miteny hoe mivoaha ianareo dia mivoaka izahay. Izao izy ihany no niteny fa midira ianareo fa efa milamina ny raharaha diplomatika dia miditra tsy ampihambahambana izahay. Matoky an’iny Rangahy iny izahay. Rariny ilay izy satria izahay tsy niala fa noho ny fahatsapanay fa misy zavatra takiana dia ny fampiharana ny tondrozotra. Ka raha manome toky anay ny SADC fa hanao ny zavatra takianay dia miverina izahay. Raha ny resaka hoe be kajikajy amin’ny resaka karama, izahay anie nandray karama foana na tsy tao am-pivoriana azy ê ! ary telo taona anie izahay tsy nandray n’inona n’inona niaritra foana ka tsy izay karama androany no hampitahorana anay ! Hitanay fa hiteraka fahatoniana ny fiverenanay ary ny toky homen’ny SADC hifanandrify amin’ny takianay hampihatra ny fotokevitry ny tondrozotra amin’ny tokony ho izy.

Tena misy kajikajy daholo ny zavatra atao rehetra fa kajikajy handamin-javatra no atao fa tsy kajikajy fanakorontanana. Kajy ny fandeferana, kajy ny fanaovana teny moramora, kajy ny fisintahana teo, izao fidirana izao kajy. Fa kajy mankany amin’ny fitoniana hampiharana ny tondrozotra hiatrehana fifidianana malalaka hisafidianan’ny Malagasy izay tiany hitondra azy. Mandainga izay mpanao politika milaza fa tsy manao kajikajy saingy kajy tsara mankany amin’ny tombontsoan’ny besinimaro, fa na ny pasitera mitory teny aza dia mikajikajy. Kajin’ny fidiran’ny vahoakan’Andriamanitra any an-danitra. Ampitaiko amin’ny vahoaka ny hafatra tany Karamalaza nalehanay farany teo, fa izaho mantsy Kristianina aloha vao mpanao politika, hoy ny CT Rostand : “Aoka hatoky hatramin’ny fahafatesana ianao dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana” (Apokalypsy). Resaka fijoroana amin’ny fahamarinana niainanay hatramin’ny nanombohana ny tolona no ao anatin’izany. 

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT