Lasa any Brezila i Andry Rajoelina hanatrika fivoriana mikasika ny tontolo iainana.
Izy izany no ho minisitry ny tontolo iainana Malagasy sady filohan’ny delegasiona any, hoy ny CT Randriampilamanana Rostand, satria hatramin’izao dia tsy mbola voasolo ny minisitra nesorina amin’ny toerany. Tatitra momba ny zava-bita nandritra ny 20 taona no atao any, hoy izy, nefa i Andry Rajoelina nilaza ombieny ombieny fa tsy nisy asa vita teto tao anatin’ny 50 taona izay. Ka inona izany no tatitra hataony any ? Ny tsy fandriampahalemana ? “Bois de rose” ? Valanjavaboary hitrandrahana vatosoa ? Sa inona ? Hafatra no ataoko an-dRajoelina : mba sahia miatrika ny olana amin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ny mpifanandrina aminao dia ny filoha Marc Ravalomanana sy ny ekipany. Ary sahia koa milaza ny hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena dia mihantsy izay hifaninana amin’ny tena efa nilaza izany ê !
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.