Tsy mahafantatra ny mahazo ny vahoaka Malagasy mihoatra an’ireo Raiamandreny am-panahy 4 mirahalahy ireo ry Leonardo Simao sy Joaquim Chissano miaraka amin’ny GIC-M, hoy ny mpampankateny eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Randriampilamanana Rostand.
Efa telo taona latsaka no nampiharana ny tondrozotra, hoy izy, nefa izao isika mbola ao anaty krizy ary tsy mbola mahavita fifidianana foana. Ny fananganana ny CES na Fitsarana manokana momba ny fifidianana dia nanaraka tsara ny tondrozotra ny nananganana azy, hoy ity olom-boatendry ity, ka matoa izy tsy mahomby dia ny tondrozotra nananganana azy mihitsy no tsy mahomby. Ka raha horavana io CES io dia rava miaraka aminy koa izany ny tondrozotra. Aleo ny hevitry ny FFKM izay tsy mbola nampiharina akory no arahina, hoy ny CT Randriampilamanana Rostand, fa ny narahina teo aloha efa tsy nahomby. Marihana, hoy izy, fa ny FFKM dia tsy hitondra mihitsy ny Malagasy any anaty lavaka fa hijery kosa izay mahasoa ny firenena amin’ny maha mpiandry ondrin’Andriamanitra azy ary hiaro hatrany ny tombontsoan’izay naniraka azy
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.