Tena ny zonay mpanao politika niditra anatin’ny rafitra iaraha-mitantana mihitsy no hitsakitsahin-dRajoelina amin’ilay fepetra ataony mikasika ny fodian-dRtoa Lalao Ravalomanana an-tanindrazana, hoy ny CT Randriampilamanana Rostand.
Tsy ilay vahiny ho tonga mantsy, hoy izy, no tsy voahaja fa izahay ho vantaniny mihitsy ao anatin’izany. Raha mba ireny Saodianina sy Sinoa ary vahiny hafa tonga ao amin-dRajoelina ireny moa izany no valiana atao tahaka ny hanaovany an’ity vadin’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana ity dia inona no mety hitranga ? Ho anay ny dikan’izao fihetsiny izao dia mariky ny tsy finiavana hanatanteraka ny voalazan’ny tondrozotra mihitsy. Faharoa, mariky ny tsy fahavononana amin’ny fifidianana. Fahatelo dia matahotra marindrano fotsiny izao ny mety hisokafan’ny orinasa Tiko indray Rajoelina sy ny forongony izay ity ramatoa sakanany ity no tena tomponandraikitra voalohany mahatapaka ao ka hiverenan’ny mpiasa an’arivony amin’ny asany indray. Raha tsorina dia ireo mpandroba ny orinasa no tena matahotra izany, hoy ny CT Rostand.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.