Politique

Randriamorasata Charles Aimé Fanombohan’ny fampihavanam-pirenena iny sori-dalana iny


  • Alarobia 21 Septambra 2011

Tsy tokony ho variana amin’ny ady seza ny mpanao politika mikasika iny sori-dalana natao sonia iny, hoy Atoa Randriamorasata Charles Aimé mpitondra tenin’ny «Escopol Centriste non parlementaire» fa tokony hibanjina ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena bebe kokoa amin’izay ao anatin’ny fanatanterahana izay voalaza ao anatiny.

 Tsy hahazo toerana daholo mantsy ny rehetra na dia manantena izany aza, hoy izy, fa tokony ho sarotiny amin’ny firosoana amin’ny fifidianana madio sy mangarahara ary azo antoka kosa ho an’ny toerana sahaza ny tena any aoriana. Aminay, hoy ity talen’ny bakinetran’ny minisitry ny raharaham-bahiny ity, dia misy lafiny 3 mazava tokony hojerena taorian’iny fanaovan-tsonia iny dia izay hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena, fandraisana fepetra haingana momba ny lafiny sosialy sy toekarena ary ny fandaminana politikam-pifandraisana amin’ny any ivelany mifanaraka amin’ny zava-misy iainana ankehitriny. Misy fihatsarany ny tontolo politika eto amintsika taorian’ny sonia, hoy izy ka tokony homasahana ny fiaraha-mitantana. Tsy tokony hisy intsony ny resaka ankolafy manomboka izao, fa efa fanombohan’ny fampihavanam-pirenena katsahintsika rehetra ny fahavitan’iny sori-dalana iny. Mila ny fanetren-tena sy fandavan-tenan’ny mpanao politika anefa izany, hoy izy.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT