Nanomboka ny alatsinainy 27 mey tamin’ny 4 ora hariva dia tsy filohan’ny tetezamita intsony i Andry Rajoelina, hoy ny CT Randriamamizafy Ignace.
Hatreto, hoy izy, dia tsy nisy lalàna nivoaka avy amin’ny governemanta fa tsy hotanterahina indray ny fifidianana na hahemotra. Mbola voatazona tsara izany ny datin’ny 24 jolay ka mihatra avokoa rehefa mety lalàna mifandraika amin’izany ka tapitra tamin’io ora voatondro io ny fe-potoana, araka ny lalàna, tokony hametrahan’ireo mpitantan-draharaham-panjakana nirotsaka ho kandidà, fialana. Izy Rajoelina no nanao sonia ny didy mamaritra izany avy amin’ilay lalàm-pifidianana tsy natrehan’ny ankolafy Ravalomanana ny nandaniana azy. Rehefa arahina ara-bakiteny io lalàna io dia tapitra hatreto izany ny maha-filohan’ny tetezamita an-dRajoelina. Koa manao antso avo aminareo tafika aho, hoy ity avy any Moramanga ity, fa ny olona mitondra araka ny voalazan’ny lalàna ihany no tokony ho arovanareo ary voalaza ao anatin’ilay lalàmpanorenena sadasada tsy ankasitrahan’ny besinimaro, izay mbola Rajoelina ihany koa no nanao sonia nampanankery an’izany. “Koa asehoy fa tsy miandany amin’olon-tokana ianareo fa tena mampihatra ny lalàna hany mpibaiko anareo ho tandroka aron’ny vozona eto amin’ity firenena ity”, hoy ny CT Randriamamizafy Ignace.
RHR/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.