Politique

Randriamamizafy Ignace Miaina anaty fahasahiranana mora ny vahoaka


  • Talata 27 Martsa 2012

Ny FAT mivazavaza hoe tia tanindrazana no tena tsy tia azy, hoy ny CST Randriamamizafy Ignace omaly tetsy amin'ny Magro Behoririka.

 Taiza no nisy mpiray tanindrazana nodorana velona, sy nanaovana tantely afa-drakotra ny fananam-pirenena ? Firifiry ny mpiray tanindrazana very asa vokatry ny fanonganam-panjakana ? Fitiavana tanindrazana sy hambompom-pirenena ve ny maha mbola anaty krizy antsika ao anatin’ny telo taona izao mbola tsy misy fanafany ? Ny famerenana ny tombontsoan’ny Frantsay ve sa ny fanakanana ny mpiray firenena tsy hody eto no lazaina fa fitiavana tanindrazana ? Ka tsy ilaina ny mamaly any i Andry Rajoelina satria manjary mirefarefa amin’ny tany ny resaka. Tsy maintsy io fitiavana tanindrazana io mantsy no resaka amin’izao ankatoky ny 29 Martsa izao nefa ny vahoaka dia miaina anatin’ ny fahasahiranana mora. Nomarihan’ny CT Ignace fa nisy herintaona ireo Bekotro maroholatra no tsy nandray ny vola fisotroan-drononony. Izany no fitiavan-tenanareo FAT.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT