Vaovao tahaka ny vaovao rehetra ny amin’ny fahazoan’ny filoha Marc Ravalomanana mivady fanasana ho eny amin’ny fetin’ny foloalindahy eny Mahamasina sy ny fanasana ataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina eny Iavoloha, hoy Randriamamizafy Ignace tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, ka hotrotroina am-bavaka mba ho tena izy ka ho tonga ny nandrasana.
Hifaly sy hitotorebika isika raha izany no miseho, hoy izy, fa tsy sanatria hifamono an-toerana eto izany tahaka ny voizin’ny sasany amin’ny onjam-peo tsy miankina iray eto an-drenivohitra. Tsy hisalasalana, hoy ity MCT taloha avy any Moramanga ity, fa raha tonga i Dada Ravalomanana dia hirodorodo ho eny Mahamasina isika, fa raha ny mifanohitra amin’izay kosa dia eto amin’ny Kianjan’i Magro Behoririka hatrany no ambohipihaonantsika mianakavy. Mahagaga, hoy Randriamamizafy Ignace fa amin’izao fotoana hikatsahan’ny rehetra fifamelan-keloka sy fampihavanam-pirenena ary ny firaisankina hampandroso an’ity tany mamintsika ity izao dia mbola misy Malagasy iray ra amin’ny tena mivohy an’izany fifamonoan’ny samy Malagasy izany nefa ny tany aloha rehetra aza efa nanenenana tanteraka fa nampiditra kizo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.