Randriamamizafy Ignace

> Nandika lalŕna ny CES ka tokony hotoriana


  • Talata 20 Aogositra 2013

Raha namoaka lalŕna araka ny fiheverany azy noho ny resaka politika ireo mpikambana tao amin’ny CES teo aloha, hoy ny CT Randriamamizafy Ignace avy any Moramanga, dia tena mandika lalŕna tsotra izao kosa ity CES vaovao ity amin’ny fanapahan-kevitra navoakany ka tokony hotoriana.

Raha naverina nodinihana teny amin’ny parlementan’ny tetezamita ny mikasika ity rafitra iray voalazan’ny tondrozotra ity dia ny fanoloana mpikambana sy ny filohany no votoatin’ny nodinihana sy nasiam-panitsiana tao fa tsy nisy nokitihana ny andininy hafa mikasika azy. Mijanona ho rafitra natao hitsara ny voka-pifidiana izy, araka izany, sy handray ny fitarainana mikasika ny fizotran’izany fifidianana atrehana fa tsy anjarany velively ny hitsara fitarainana amin’ny resaka filatsahan-kofidiana. Toy ny didy mivoaka rehetra eo anivon’ny fitsarana dia tsy tokony hisy intsony famerenana fitsarana ao anatina ambaratonga iray fa raha misy fanohizana izany fitsarana izany dia tsy maintsy miakatra fitsarana ambonimbony kokoa noho ny nitsara azy teo ny raharaha. Eto koa dia voalaza fa didy tsy azo ivalozana no navoakan’ity rafitra ity fony izy CES 1 nefa dia mbola naverina notsaraina teo anivon’ny CES 2 indray. Mbola fandikan-dalàna izany ! Rafitra ao anatin’ny HCC ny CES ka manana ny toerana manokana iasany sy amoahany didy izy fa tsy hivezivezy an-tanin’olon-tsy fantatra toy ny tsy manana ny fahaleovantenany sy ny fiandrianany. Dia tena nampahatsiahy ny fitsaram-pifidianana tamin’ny 2001 nafindra tany amin’ny hotely tany Mantasoa.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT