Randriamamizafy Ignace

> Hiala tsy ho CT intsony raha …


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013

Tanako ny teniko nilaza fa hametra-pialana tsy ho mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita intsony raha toa ka tsy misy fandraisana fanapahan-kevitry ny ankolafy Ravalomanana manoloana izao zava-misy ankehitriny izao, hoy ny MCT Randriamamizafy Ignace.

Mino aho anefafa hisy izany fanapahan-kevitra izany avy amin’ny toromariky ny filoha Marc Ravalomanana. Hatreto aloha, hoy izy, nanampy fanazavana dia eritreritra daholo ny an’ny tsirairay avy izany fialana izany fa ny tena izy sy manan-danja dia ny fialana miaraka ary anjaran’ny mpanapakevitra mpitantana ny ankolafy no mandrindra izany. Mikasika ny resa-pifidianana dia tsy misy mandà ny hanaovana fifidianana fa ilay fomba tsy dia mazava loatra hitondrana azy no mampanahy hisian’ny korontana eto. Nolazaina fa antony tsy azo hanoharana ny andiam-balala ka nanafoanana ny fifidianana saika hatao ny 24 jolay. Fa tsy antony tsy azo hanoharana koa ve ny oram-be hirotsaka amin’ny volana desambra hanaovana ny fihodinana faharoa navoakan’ny CENI-T farany teo ? Sady amin’izay indray efa voararan’ny lalàna ny fanaovana fifidianana ao anaty fotoam-pahavaratra araka ny nandanian’ny parlemantera azy, ka korontana inona no tsy hitranga amin’izany ? Tahaka ny niseho tamin’ny fifidianana nataon’ny Amiraly tamin’ny volana novambra tamin’ny taona 2001 sy ny tamin’ny desambra 2007 ka nampitabataba mpanao politika marobe.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT