Fotokevitra hijoroako ary hoentiko mamakivaky ity taona vaovao 2017 manotolo ity, hoy Atoa Randriamamiarizafy Ignace mpikambana fahiny tao amin'ny Kongresin'ny Tetezamita avy amin'ny ankolafy Ravalomanana, ny hoe :
" Hifampizara aminao izay hananako aho fa aza manahy, raha ohatra ka fihavanana syfifankatiavana no ambara". Ny dikany, hy izy dia tsotra : "tsy fifanenjehana sy fifankahalana no hampandroso an'ity nosy Madagasikara malalantsika ity fa ny fifanajana eo amin'ny samy Malagasy mba hisian'ny fitoniana marina. Refa vita ny fifidianana iray izay hatao, hoy ity CT taloha ity, dia tokony hanaja izay vokatra mivoaka ny rehetra ka hanaja ny mpitondra izay lany teo ny antoko mpanohitra. Ny filoham-pirenena lany koa anefa etsy an-kilany, hoy izy, dia tokony hanome lanja ireo antoko mpanohitra ka hanaja izay fotokevitra harosony heveriny fa hanatsarana ny fitondrana ny
firenena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.