Nanamafy ny fahavononany hiatrika ny tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo hataon’ny Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny sabotsy 28 aprily izao ny CT Randriamamiarizafy Ignace.
Tsotra be ilay izy, satria samy fanjakana ary voalaza sy voasoratra ao anaty karatra maha CT nomena anay ny hoe : didiana, hoy izy, ny manampahefana sivily sy miaramila, hanohana sy hanampy anay amin’ny dia alehanay sy izay ataonay. Mbola ao koa ilay takelaka nitokanan-dRajoelina ny Kianjan’ny demokrasia ka aoka hanjaka tokoa izany demokrasia izany. «Ka amin’ny sabotsy izany ho anay dia tsotra : didian’ny lalàna ny «Préfet de police»-n’ny tanànan’Antananarivo hanome alalana anay ho eny Ambohijatovo. Ary didian’ny lalàna koa ny Emmo-Reg tarihan’ny jeneraly Ravalomanana Richard hiaro sy hanohana anay, ary hampiasa hery raha ilaina raha misy manakorontana anay satria zonay izany. Zonay ny maka mpitandro ny filaminana raha toa ka misy ilana azy izany. Ka ny zavatra andrasanay dia izao : ho tonga maro ny vahoaka hihaino ny tatitry ny Parlemantera ary iangavianay koa ho eo ny Emmo-Reg hitandro ny filaminana. Fa raha ny mifanohitra amin’izay kosa no hiseho dia hifankahita eto isika fa samy fanjakana. Ho anay avy any amin’ny Faritra moa dia efa misy Ben’ny tanàna avy any Anosibe An’ala tonga eto Antananarivo izao. Ny avy any Moramanga, ho avy ry zareo”.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.