Politique

Randriamahefa Henri Charles Tokony hodiovina ireo mpikambana ao amin’ny CT


  • Zoma 09 Septambra 2011

Nafampana tao ho ao ny teo-draharaham-pirenena, hoy Randriamahefa Henri Charles, Lefitra voalohan’ny Exopoles sady filoha nasionalin’ny antoko FIZAFA (Fikambanana miahy ny zanak’olombelona sy ny zavaboahary ho fampandrosoana an’i Madagasikara), ka nahatonga ny fisarovoroana eo amin’ny samy mpikambana amin’ny fivondronan’antoko politika samihafa.

 Nomarihany fa mpikambana ara-dalàna ao amin’ny Exopole ny Exopoles fa nahaloa an-tsakany sy an-davany ny latsakemboka nifanarahana. Samy tompon’io Exopole io daholo, hoy izy, ny rehetra. Misy fandaminana tokony hatao ao hoe : iza no tokony hitondra teny, iza no tsy tokony hiteny. Ilay resaka Dina Repoblikanina iny dia tsy nifampieran’ny mpikambana, hoy Randriamahefa Charles, ka mitsipaka ny fivoahan’ny namana sasany teny Ivato izahay. Mikasika ny fahatongavan’ny Troika eto dia nambarany fa ny FIZAFA dia efa nanapa-kevitra fa ny fanaovan-tsonia haingana ilay sori-dalana nasiam-panitsiana no takiany. Izahay, hoy izy, efa niteny fa hanao hetsika an-dalambe raha tsy vita mialoha ny 17 septambra ny sonia ka nifanojo tsara amin’ny hetahetanay ny datin’ny 16 septambra navoaka hanaovana ny sonia.

Fa na inona na ho inona vokatry ny fahatongavan’ny Troika eto Madagasikara amin’ity krizy lavareny ity, hoy Randriamahefa Charles, dia miombon-kevitra amin’ny filoha Rajoelina izahay fa tsy misy afa tsy ny fanaovan-tsonia ny sori-dalana ihany no hivoahana amin’izany krizy izany ary koa ny firesahana amin’ny Ankolafy 3. Mikasika ny fanaovana fanamarinam-pahatongavana eo amin’ny Kongresin’ny tetezamita dia manaiky tanteraka ny hanaovana izany Randriamahefa Henri Charles. Rariny loatra io fa volam-bahoaka no lanian-dry zareo ao, hoy izy. Mbola nampiany koa aza fa tokony hodiovina mihitsy mialoha ny fanitarana ity mpikambana CT ity satria tsy mifanaraka amin’ny fepetra notakiana ny fanendrena azy ireo.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT