Tafaverina an-dapa indray ny depioten’i Moramanga teo aloha, Randriamahefa Henri Charles satria anisan’ireo voatendry ho mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ny 1 desambra teo ny tenany.
Anisan’ireo azo heverina fa efa manana traikefa amin’ny asa fandinihana lalàna eny amin’ity andrim-panjakana ity ny tenany ka tsy nisalasala namaly raha nanontaniana ny mahasamihafa izany CT sy Depiote izany. Mitovy ny andraikitr’ireo, hoy izy, samy manao lalàna ary samy manara-maso ny asan’ny mpanatanteraka. Tsy dia olana loatra ny hamaroan’ireo mpikambana aminy satria araka ny tarigetran’ny fiaraha-mitantana dia samy handinika ny lalàna ireo ary samy hanapa-kevitra miaraka ihany koa fa izay no tena demokrasia sady marimaritra iraisana takian’ny fampiharana ny tondrozotra. Antenaina, araka izany, ny fivahan’ny krizy amin’izao rafitra izao noho ny fidiran’ny ankolafy Ravalomanana, hoy Randriamahefa Henri Charles. Tsiahivina, fa ny tena mpifanandrina dia ny ankolafy Andry Rajoelina sy ny ankolafy Ravalomanana.
Tamin’ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba vao niditra ny ankolafy Zafy Albert sy Didier Ratsiraka, ary mbola niampy an’ireo vondrona hafa indray aza taty aoriana ka nanjary nisy ankolafy 11 be izao miara-miombon’antoka amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ary ireo no heverin’ny SADC sy ny Iraisam-pirenena hamaha izany. Efa nandramana ny fanaovana governemantan’ny firaisam-pirenena, fanolosoloana praiminisitra fa tsy mbola nisy vokany. Ity indray mandeha ity izany no marimaritra iraisana na amin’ny mpanatanteraka na amin’ny mpanao lalàna. Nanteriny fa zava-dehibe ny fidiran’ny ankolafy Ravalomanana anaty rafitra tetezamita.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.