Mbola hafana dia hafana ny adihevitra eny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza amin’ilay resaka volavolan-dalàna mifehy ny serasera fototry ny fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana hatrehan’ireo depioten’i Madagasikara hatry ny omaly.
Marihana moa fa tapaky ny maro anisa tamin’ny famaranana ny fivoriana ara-potoana voalohany ny zoma teo ny hanemorana ny fandinihana azy ity fa maro loatra ny andininy hodinihana amin’ity volavolan-dalàna ity satria mahatratra 200 mahery ka tokony hodinihana amin’ny fo tony. Izaho dia mieritreritra fa mbola manana ny toeran’ny fahefana fahefatra eto amin’ny firenena ny mpanao gazety amin’ny ankapobeny, hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles voafidy tany amin’ny distrikan’i Moramanga ka tena manana lanjany manokana eo amin’ny fiainam-pirenena ity resaka fehezan-dalàna mikasikany fifandraisana ity. Heveriko koa, hoy izy, fa tokony hitodiana koa ny lasa ka hatao fakan-desona fa tamin’ny fanakatonana haino aman-jery tsy miankina iray ange no nampirodana ny fanjakana teo aloha ê. Marihana moa fa anisan’ireo solombavambahoaka antsoina hoe “Patron de presse” noho ny fananany onjam-peo tsy miankina any Moramanga any ity depiote ity ka tsy mahagaga ny fiandaniana kely tahaka izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.