Manoloana ny zava-misy ao Andoharanofotsy sy ny hetsika efa vitan’ny tenany ary ny famporisihan’ireo mpiara-monina amin’ny tena, hoy ny kandida ben’ny tanàna, laharana faha 3 ao anaty bileta tokana, ao amin’ny kaominin’Andoharanofotsy,
izay natolotry ny antoko Tia Tanindrazana, Atoa Ranary Lala Berthin Erckman na Gasy, no naharesy lahatra ahy hilatsaka hofidiana ben’ny tanànan’Andoharanofotsy. Tsy mandroso ny tanàna nefa ny tena manana traikefa amin’ny resaka fitantanana ka tsy hay ny tsy handray anjara biriky ahazoana toerana hahafahana mampandroso ny tanàna, hoy ity kandida atolotry ny antoko politika, Tia tanindrazana ity. Nampahafantarina ny sabotsy teo tetsy Mahabo Andoharanofotsy moa ity kandida ben’ny tanàna ity sy ireo kandida ho mpanolontsaina 10 mianadahy miara-miasa aminy izay mitondra ny laharana faha 3 ihany koa. Ny fandriampahalemana sy ny sosialim-bahoaka no laharam-pahamehana. Hisy ny fanofanana arak’asa ho an’ny tanora sy ny tsy asa ary efa vonona ihany koa ny ekipa afaka manampy ireo izay nahavita izany fiofanana izany. Ho jerena ny foto-drafitrasa ilain’ny mponina mba hanamora ny andavanandrom-piainany. Hanokatra tranomboky ho an’ny kaominina ihany koa no isan’ny fikasan’ity kandida ity sy ny ekipany hanitarana ny ambaindain’ny fanabeazana. Santionany amin’ny vinan’ny kandida Gasy ireo ho fampandrosoana an’Andoharanofotsy, hoy hatrany ny fanazavan’ity kandida mitondra ny laharana faha 3 ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.