Ny zava-misy ao amin’ny tanànan’Andoharanofotsy no nandrisika ahy hilatsaka ho ben’ny tanàna noho ny fijalian’ny mponina sy ny fikorontanana be ihany tao anatin’ny fandrosoan’ny tanàna,
izay tsy dia hita loatra tao anatin’ny 4 taona, hoy ny kandida Ranary Lala Berthin Erckman na Gasy, kandida atolotry ny Antoko Tia Tanindrazana ao amin’ny kaominina Andoharanofotsy. Fitiavana ny tanindrazana sy fijoroana handray andraikitra hametraka fanamby ho amin’ny fampandrosoana no nanosika, hoy izy. Lojika raha mpikambana ao anatin’ny antoko Tia Tanindrazana sy mirotsaka amin’ny anarany satria tena zava-dehibe ny vina sy tanjona ho amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena hiara-handray andraikitra sy handray an-tànana ny ho avin’ny firenena voizin’ny antoko, raha ny nambarany. Zava-dehibe ny fanabeazana, ny fitsinjaram-pahefana izay tena antoky ny fandrosoana ny firenena, ary indrindra ny teknolojia izay manamarika ny vaninandro sy tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona amin’izao fotoana izao. Fanamby hapetrak’ity kandida ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Andoharanofotsy ity dia ny fandrosoan’ny fiainan’ny olona eny ifotony mihitsy, toy ny mpivarotra izay manana olana, maro ny sahirana sy mijaly izay ezahina hikarohana vahaolana ny lafiny asa sy fihariana,… Ny tanora dia mila famoronan’asa ka hiezaka ny hitondra vahaolana toy ny fampianarana azy ireo izy amin’ny alalan’ny fiofanana momba toy ny taozavatra, zaitra, informatika,… mba hahafahan’ny olona handroso sy hiady amin’ny tsy fahalalana ary hahita asa, hoy hatrany Ranary Lala Berthin Erckman.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.