Politique

Ranary Lala Berthin -Andoharanofotsy “Mahatoky ny mpifidy aho”


  • Alarobia 06 Novambra 2019

Andro voalohany ho an’ireo kandidà mpifaninana ben’ny tanàna manerana ny nosy, ny andro omaly, ka samy nisafidy ny toerana nentina nanokafana izany ireo kandidà mpifaninana.

 

 Ho an’atoa Ranary Lala Berhin Erckman na GASY avy amin’ny Antoko Tia Tanindrazana, dia efa vonona tanteraka hiatrika ny fampielezan-kevitra ny tenany, omaly, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Nambarany, fa tsy matahotra ireo kandidà mpifaninana aminy izy. Matoky ireo olona miara-dia aminy sy ny mpifidy ihany koa ny kandidà Gasy. Nambarany, fa mbola misy olona maro no manohana azy amin’izao, amin’ny lafiny rehetra, saingy, tsy tratra antso ny sasany tamin’izy ireo. “Andao ry zareo, milà anareo aho, ampio aho amin’ny andraikitra raisina sy fahasahiana eto amin’ny kaominina Andoharanofotsy, matoky anareo aho”, hoy ny kandidà GASY. “Olona madio sy zanak’Andoharanofotsy ary tsy nanao ratsy izaho”, hoy hatrany ity kandidà ity. Miantso ny kandidà mpifaninana izy, mba tsy hifampihantsy na hanao antsonjay amin’ny mpanohana azy avy, fa aoka hanaraka ny lalàna mifehy ny fifidianana ny kandidà sy ny mpanohana azy tsirairay, hoy hatrany ny antso nataony. Manao antso avo amin’ireo mpifidy ihany koa Ranary Lala na GASY, tongava mifidy, hamarino  ny kara-pifidianana sy ny anarana ao anaty lisi-pifidinana, tongava mijery izany any amin’ny biraom-pokontany. Marihana fa N°3 ao anaty bileta tokana Ranary Lala na GASY, koa fidio ho ben’ny tanànan’Andoharanofotsy izy sy ny mpanolontsaina miaraka aminy, amin’ny 27 novambra ho avy izao. Matoky ny Ceni amin’ny voka-pifidianana hivoaka eo koa izy ary manaiky ny vokatra koa. Marihana etoana, fa nanao Meeting tao Mahabo Andoharanofotsy ny kandida GASY niaraka tamin’ireo mpanohana sy mpiara-dia taminy, omaly ary taorian’izay nanao karnavaly nitety ny fokontany 8 ao anatin’ny kaominina Andoharanofotsy izy, nisy koa ny fanaovana “porte à porte” taorian’izay. Nanotrona ity kandida ity moa ny filohan’ny Antoko Tia Tanindrazana, Tahina Razafinjoelina sy ireo mpiara-dia taminy ary nankahery ny kandida Ranary Lala ihany koa izy ireo.

 

Sitraka r.

 

                       

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT