Manao ranolava ny fanehoan-kevitra taorian’ny vono olona nitranga teo Mahamasina ny andro nankalazan’ny Malagasy ny 26 jona teo.
Toe-javatra mampahonena ireny nitranga teo Mahamasina ireny. Melohiko tanteraka ireny satria tokana ny tompon'ny aina dia Andriamanitra izay nanome azy ihany, hoy Ranaivoson Jean Désiré. Ny zavatra tsapa tato ho ato dia manomboka miditra eto amintsika ary mahazo vahana ny kolontsainan'ny herisetra, hoy ity filohan’ny PNJ Mazava ity. Toa lasa mahazatra ny sofina sy ny maso ny mahita fahafatesana amin'ny fomba mahatsiravina, na ny fanafihana mitam-piadiana na ny afitsoky ny dahalo, na ireo lozam-pifamoivoizana maro dia saika lasa andavanandron'ny malagasy ankehitriny. Io no loza mitatao amin'ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ka atahorana ny fiitaran'izany. Tsy tokony ho resaka politika fotsiny no jerena amin'izao zavatra mitranga izao fa tokony hisy fandinihina lalina, hoy Ranaivoson Jean Désiré. Moa ve zarina tsikelikely isika mba ho mora ampiadiana mivantana atsy ho atsy? Sa ny toe-tsaina no potehina mba hifandripaka eto isika samy Malagasy ?, hoy hatrany ity kandida tamin’ny fifidianana loholona ity, mametra-panontaniana. “Mila mijoro ny mpitondra ho raiamandreny hampivondrona ny Malagasy fa tsy sanatria ho lasa mpanilika andraikitra sy mpanao tondro molotra fotsiny na ho mpiampanga fotsiny. Mila mijoro ny mpanabe rehetra hiaro ny taranaka Malagasy tsy ho tratry ny kolontsaina mpandatsa-dra sy mpanimba. Izay no lalana hanarenana ity firenena ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.