Iray amin’ireo olona akaiky ny filoha Marc Ravalomanana Atoa Ranaivoson Henri Roger. Tsy dia re ny tenany tato ho ato, izy rahateo miasa any ivelany. Nohararaotin’ny Tia Tanindrazana anefa ny nisokela taminy amin’izao fandalovany eto an-tanindrazana izao.
Tia Tanindrazana (TT) : Ahoana no fahitanao ny toe-draharaham-pirenena ankapobeny ?
Ranaivoson Henri Roger (RHR) : Telo taona isika izao tanaty krizy. Ny zavatra mampalahelo dia te handrirotra ny tetezamita ny FAT. Tsy vonona hiaraka hiasa kanefa dia firenena iombonana i Madagasikara. Mampalahelo ny toe-draharaha. Betsaka ny fanonganam-panjakana maneran-tany fa ny olona tonga dia mahita vahaolana vetivety fa ny antsika toa mahakely finoana ; ny vahoaka anefa efa reraky ny hasarotam-piainana. Tsy very toky aho akory fa manam-pinoana satria efa betsaka ireo tonga saina. Ny olana fotsiny dia olona mitam-piadiana no mifanandrina aminao. Ny fahitako azy manokana dia mbola maloka sy manjombona ny hoavy.
TT : Mety hisy lalan-kivoahana ihany àry ve manoloana izany rehetra izany ?
HRR : Ho ahy manokana dia misy tarehimarika miteny ary tsy miova. Rehefa 0,5 na latsaky ny 0 ny harin-karena dia izay izany ny zava-misy. Raha mbola tohizana foana ny fandehanana amin’ny lalan-tokana na ilay hoe “unilatéralisme” dia tsy ho tafavoaka isika, tsy hisy lalana.
TT : Ankoatra izay, anisan’ny nanenjehana ny fitondrana Ravalomanana ny nividianany fiaramanidina. Vao omaly anefa dia nahazo Airbus ny kompania Air Madagascar ary dia ireharehan’ireo mpitondra izany. Ny fahitanao azy ?
HRR : Tsy nahazo Airbus isika fa nandefasan’ny olona ny zaoridirany. Tsarovy anefa fa ain-dehibe izany fiaramanidina izany. Isika tsy zatra Airbus fa Boeing. Fiaramanidina efa ela niasana sy tsy misy hery intsony no hofaina. Raha lany “série”, ohatra, ny Peugeot 203 dia mbola hividy 203 ve ianao ? Ho fitsinjovana ny lavitr’ezaka dia tokony ho zavatra hanaraka ny teknolojia moderna. Tsy aleo ve manana zavatra tanora, indrindra zavatra hanidina eny ambony eny.
TT : Ianao izany mandalo sa efa mipetraka eto satria fantatra fa miasa any ivelany ianao ?
HRR : Ity resaka famotsoran-keloka ity no tena hahatongavako eto. Tsy misy olona madio eto ka sahy hitompo teny fantatra fa amnistia voafantina no hamaha ny olana. Amnistia ho an’ny fampihavanam-pirenena, izany hoe amnistia faobe no ilaina. Hiadiako ny hiverenan’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana ary izay no tanjona. Navelako aloha ny asako any ivelany ary eto an-tanindrazana aho ho amin’izany mandritry ny tapa-bolana.
Nagonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.