Ny tanora sy ny raharaham-pirenena, ny krizy sy ny fikatsoan’ny raharaham-pirenena, ny fitakiana sendikaly sy ny grevy etsy sy eroa, ny fifidianana, ampahany amin’ny resaka nifanaovana tamin-dRanaivoson Désiré, filoha nasionalin’ny “Plateforme nationale des jeunes (PNJ)” io. Izy no vahinin’ny SOKELA anio.
Tia Tanindrazana( TT) : Notendren-dRajoelina ho delege tao amin’ny Boriborintany faha-5 ianao fony izy Ben’ny tanàna. Tsy niditra TGV anefa ianao fa nanangana ny PNJ izay nahazoanao ny toerana HAT sy CST ankehitriny. Sao tetika hahazoana toerana fanampiny ilay izy fa iray ihany ny TGV sy PNJ ?
Ranaivoson Désiré (RD) : Ny resaka tanora sy raharaham-pirenena dia vina efa nananako tany amin’ny taona 2004. Tamin’izany ny tenako dia efa nifanatona tamin’ny tanora vitsivitsy ary nanentana azy ireo hiaraka hivondrona haneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ary hitondra fijery hafa noho ireo zokibe. Natsahatra anefa ilay izy satria samy mbola namita fianarana ny ankamaroany. Nanapa-kevitra hanohana an’i Andry Rajoelina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo aho tamin’ny 2007 noho izy sahy nijoro nandray andraikitra. Tsy tao anatin’ny ekipa nisahana ny fampielezan-keviny ny tenako tamin’izany fa olon-tsotra naneho hevitra fotsiny. Nekeko ny fangatahany niara-niasa taminy ka lasa delege tao amin’ny Boriborintany faha-5 aho ahafahako mitondra valim-babena satria tao no latsaka ny tavoniko sy nahalehibe ahy. Rehefa nitazona io andraikitra io aho dia nifanatona indray tamin’ireo namana nitovy fijery tamiko taloha araka ny nambarako. Natsanganay ireo ny Vondrona fiaraha-midiniky ny tanora izay nantsoina hanome tanana tamin’ireny “Assises nationales” ireny. Rehefa nahatsapa anefa izahay nandritra io “assises” io fa natao mpibata entana fotsiny ny tanora sady mbola ireo mpanao politika hatrizay ihany no mpandray anjara tao dia tapa-kevitra fa hikarakara fihaonambem-pirenen’ny tanora. Resy lahatra mantsy izahay fa fotoana tokony hipoirana tanora manana fomba fijery vaovao ho an’i Madagasikara izao. Tsy nisy tolotanana avy amin’ny fanjakana mihitsy tamin’io fihaonambe io fa rehefa vory ny mpandray anjara vao nanampy ny fanjakana. Fanapahan-kevitry ny besinimaro nandritra ny fihaonambe no nananganana ny PNJ fa tsy hevitro samirery. Fitazonana ny Vondrona fiaraha-midiniky ny tanora aza no fikasanay tany am-boalohany.
TT : Tahaka ny ahoana ilay fijery sy vinanareo ?
RD : Mitovy avokoa ny zava-nisy teto hatrizay satria ny fakana fanjakana hatrany no nandeha mialoha noho ny fananganana antoko. Tsy ny fotokevitra no nampikambana fa ny tombontsoa azo ao amin’ilay fanjakana. Aza gaga isika raha rava vetivety ny antoko rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony. Ny tanjonay kosa dia ny fotokevitra aloha no iaingana ka izay mitovitovy hevitra no mivondrona anaty rafitra iray. Izay vao mihevitra haka fanjakana. Izahay dia manana vina hanova ny fanaovana politika sy ny hevitry ny teny hoe politika izay midika fitantanam-panjakana fa tsy hoe haongako i ranona dia alaiko ny fitondrana. Raha izay mantsy dia fanimbana firenena no atao.
TT : Ahoana no ahazoana antoka fa tsy sehatra hanaovana tohatra fiakarana ny tanora mba hahazoana seza ny PNJ ?
RD : Misy vaomiera efatra ao anatin’ny PNJ. Voalohany ny vaomiera momba ny politika sy ny fahaiza-mitarika. Misy koa ny vaomiera momba ny fanatanjahantena sy fialamboly izay tsy misy ifandraisany amin’ny resaka politika. Fahatelo ny misahana ny fahaiza-miaina sy fitaizana ny maha olom-pirenena ary ny kolontsaina ary fahefatra farany ny vaomiera mampirisika hanana toe-tsaina mahay mihary. Araka izany, raha misy ao amin’ny PNJ tanora mpikambana maniry haka fanjakana dia ivelan’ny PNJ no ananganany antoko. Ireo mpikambana PNJ amin’izay fotoana izay dia tsy voatery ho mpikambana ao anatin’ilay antoko vao hatsangana. Tsy mbola misy aloha izay hatreto fa ilay vaomiera momba ny politika no maneho hevitra momba ny raharaham-pirenena. Fanomanana ny tanora ho tomponandraikitra no tena tanjona ho anay. Marihina fa ferana ho 18 taona ka hatramin’ny 40 taona ny mpikambana raha maka ny toeran’ny mpanolotsaina kosa ny 40 taona no ho mihoatra araka ny satanay. Izay no natao dia mba tsy hisy ny filohan’ny PNJ mandrakizay satria tsy maintsy mampita ny fanilo raha vao dila ny 40 taona.
TT : Raha tsy antoko ary ny PNJ, handray anjara amin’ny fifidianana ve ?
RD : Araka ny efa nambarako teo dia tsy ny mpikambana rehetra no liana amin’ny politika. Ny tanoranay any amin’ny Faritra misy azy kosa anefa dia efa afaka mandini-tena raha afaka misahana andraikitra ara-pitantanana ny firenena izy sa tsia. Raha ny hevitro manokana aza dia tokony ho ny olona mihitsy no mangataka ny firotsahana vao milatsaka. Hilatsaka ve aho sa tsia ? Ny fahavononana handray andraikitra amiko no tena zava-dehibe. Marihiko fa vao zaza 10 taona aho no efa liana tamin’ny raharaham-pirenena ary nanaraka tsy tapaka ny fampilazam-baovao. Vao 15 taona koa dia efa nanaraka fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tamin’ny 1991 koa aho dia efa nandray anjara tamin’ny raharaham-pirenena nisolotena ny mpianatra ambaratonga faharoa tamin’ny fihaonambem-pirenena. Misy antso izany amiko ny fanaovana politika fa tsy kisendrasendra akory, izany hoe nisy fiomanana tao.
TT : Tsy valianao mivantana ny fanontaniana ?
RD : Vonona amin’izay sehatra ilain’ny firenena aho saingy mila mandinika tsara aloha. Misy ihany koa ny fitondran’Andriamanitra satria ny andraikitra noraisiko hatrizay dia tsy notadiaviko fa nantsoina hatrany aho. Nanomboka tamin’ny naha delege ahy izany nandalo tamin’ny naha Ben’ny tanàna lefitra, naha tomponandraikitra tao amin’ny ministeran’ny tanora, naha talen’ny fampandrosoana tao amin’ny Faritra Analamanga, naha mpikambana HAT ary izao CST izao. Ambany lavitra noho ny karama azoko tany amin’ny sehatra tsy miankina avokoa anefa ny karamako tamin’ireo.
TT : Araka izay notanisainao teo dia tao anatin’ny FAT foana ianao. Tsy mahatsiaro tena tomponandraikitra amin’ilay fikatsoan’ny raharaham-pirenena ve ianao ?
RD : Mikatso isika sa nampikatsoana ? Raha ny hevitry ny PNJ hatramin’ny taona 2009 dia an’ny Malagasy i Madagasikara ka isika izany no mifidy ny lalan-kaleha. Niteny foana izahay fa tokony hasiana fifidianana manakaiky ny vahoaka, izay tsy voatery ho fifidianana filoham-pirenena na solombavambahoaka. Ny tanjona dia mba nananana maridrefy namantarana izay tena hery eto amin’ny firenena ka tena mahasolotena ny vahoaka marina satria samy milaza ho manana ny vahoaka avokoa ny rehetra. Noho ny tsy fisian’izay dia lasa fanjakan’ny be vava ny fanjakana. Nandray ny andraikiny hatrany, araka izany, ny PNJ tamin’ny alalan’io sosokevitra io. Lasa sarotra dia sarotra anefa ny famahana ny olana amin’izao satria be loatra ny mpanapa-kevitra. Raha olon-droa no nidinika tany am-boalohany dia lasa 4 ary efa 11 aza izao.
TT : Momba izay fikatsoan’ny raharaham-pirenena izay ihany dia misy ny milaza fa ny tanora no mahatonga izao satria tsy mbola matotra ara-potokevitra no sady tsy manana traikefa ihany koa ?
RD : Fijery iray ny filazana fa ny tanora no mampikatso ny raharaham-pirenena. Izahay indray milaza fa ny fisian’ireo “dinausore” ireo no antony. Jereo fa izy ireo no laharana voalohany amin’ny fitantanana ny firenena fa tsy ny tanora loatra. Mba firy amin’ireo nanao sonia ny tondrozotra izao no tanora ? Midika izay fa ivelan’ny sehatra tena manapa-kevitra ny tanora amin’izao fotoana izao. Noho ny fisian’ny kajikajy politika mikatsaka hatrany ny hahatongavana amin’ny tanjona politika no hitako fa tena mampikatso ny firenena.
TT : Efa am-bolana no nikatso ny fampianarana noho ny fitokonana izay ny hoavin’ny tanora mihitsy no potika. Tsy niloa-bava mihitsy anefa ianareo ?
RD : Momba ny oniversite dia maro amin’ny mpikambana PNJ no mpianatra eny. Mila fitandremana ny firesahana ny tontolon’ny oniversite aty amin’ny tontolo politika mba tsy ho lasa fitaovana politika ny mpianatra. Raha ny hevitray momba ny fitokonana eny dia manana zo hitaky ny mpampianatra amin’ny maha sendika azy fa koa mitaky adidy ny zo. Adidin’izy ireo no mamita ny taom-pianarana ary tsy manana zo hanao taona fotsy ry zareo satria nandray ny karamany nandritra ny herintaona. Ilay tombotsoa takiany no misy olana ny fahazoana azy amin’izao. Ny tsy rariny ara-tsosialy no miteraka korontana eto kanefa koa tsy rariny koa raha manda hampianatra ny SECES izay mandray karama. Sahala amin’izay koa ny zava-misy eny amin’ny ambaratonga faharoa. Raha ny fahitako azy dia mitady hahazo vahana ny toe-tsaina mamoti-tena ka “rehefa tsy azoko izay takiako dia avelao ho potika ny ambiny rehetra fa tsy mampaninona ahy”. Raha miitatra anefa izay dia potika ity firenena ity. Mila mandini-tena avokoa tomponandraikitra amin’ny tontolo ara-tsosialy, toekarena ary politika manoloana izany.
TT : Hiverenako ny resa-pifidianana. Nilaza ny UDR-C fa tokony ho amin’ny novambra 2013 ny fifidianana filoham-pirenena. Ahoana ny fahitanao izay ?
RD : Soso-kevitra tahaka ny soso-kevitra rehetra izay. Efa tsy any intsony mantsy ny resaka satria ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana no mamoaka datim-pifidianana araka ny sonia nataontsika. Ho anay manokana dia ny fifidianana solombavambahoaka no alefa aloha ahafahantsika manana Parlemanta mifototra amin’ny safidim-bahoaka sady ahitana taratra sahady ny fironan’ny vahoaka. Raha ny filoham-pirenena no voafidy mialoha dia fantatsika tsara ny zavatra hiseho fa ny mpanao politika Malagasy tsy miborosy soavaly maty.
TT : Ny teninao farany
RD : Tokony hiomana ny vahoaka hampandray andraikitra ny tanora. Tsy tanora tongatonga ho azy anefa fa tanora tena niomana. Na i Josefa ao amin’ny Baiboly aza dia nomanina tany an-tranomaizina ho lasa Praiminisitr’i Egypta ka ireo tandapa diso lalana no nanome lesona azy tao izay nampiasainy nitondrany an’i Egypta.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.