Omaly no nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany faha-5 ny CST teo aloha Ranaivoson Désiré sady filohan’ny PNJ Mazava.
Efa voakajy hatramin’ny antsipirihany izao fandraisana andraikitra izao ho azy eny hatramin’ny andro satria natao mifanandrify amin’ny datinandro nahaterahany omaly ilay filatsahan-kofidiana. Safidy heverina ho ara-drariny koa ny firotsahany ao amin’ny Boriborintany faha-5 izay nilatsahan’ny tavoniny, nibeazany an-tsekoly, naha delegen’ny Ben’ny tanàna azy ary mbola toerana misy ny fonenany amin’izao. Sahy nilaza mihitsy moa ny tenany raha nanontaniana fa mahay tsianjery ity Distrika ity ary milaza ho efa nahavita nikajy ny vola ilaina hanamboarana ny lalankely sy asa fampandrosoana samihafa. «Tsy andraikitry ny mpanao lalàna akory izany fa mila mpanao lalàna mahay mandresy lahatra ny mpanatanreraka sy mpamatsy vola kosa», hoy izy. Manohana ny fanatontosana ny fifidianana ny filohan’ny PNJ izay nilaza fa mahatratra 50 izao ireo kandida depiote mitondra ny anaran’ny antoko. «Zaba-dehibe tahaka ny fifidianana filoha ny fifidianana depiote satria mila akarina ambony ny adihevitra hampisy fampandrosoana marina.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.