Amin’ny maha olom-pirenena sy amin’ny maha Raiamandreny azy dia nilaza Atoa Ranaivo Jules, monina ao amin’ny Fokontany Sambalahy, Kaominina Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania fa afaka hampihavana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Filohan’ny FAT Andry Rajoelina ary manan-kevitra hanangana an’i Madagasikara Vaovao.
Sakana iray lehibe tsy hahafahan’ity Raiamandreny ity hanatanteraka io tetikasany io anefa ny tsy fisian’ny olona hitarika azy hihaona amin’i Andry Rajoelina izay manana ny lakilen’ny fanekena na fandavana ny fampihavanana aty Antananarivo ka lasa miotrika ao am-pony ireo hevitra maro mety hampiova an’i Madagasikara. Nambarany tamin’ny fanadihadiana nataon’ny gazety Tia tanindrazana taminy fa amin’ny alalan’ny fampianarana ara-Baiboly sy fampitsahivina ny tantara teo aloha ary ara-pilôzôfia na fahendrena Malagasy no hanatanterahany io fanovana io. Ireo mpitondra rehetra nifandimby teto, hoy Ranaivo Jules dia samy natao “Hôsana, hôsana” ary samy niafara tamin’ny “Homboy, homboy” avokoa izy rehetra nanomboka hatrany amin’ny Filoha Phillibert Tsiranana hatramin’izao.
Rehefa mihaona amin’i Andry Rajoelina Atoa Ranaivo Jules dia hanaiky hampiditra ny Filoha Ravalomanana Marc eto Madagasikara ny fitondrana tetezamita ary hijoro ilay Madagasikara Vaovao, hoy izy. I Madagasikara manana mpitondra hendry izay afaka nifamela heloka sy nahay nampandefitra ny hambom-po politika ka ataon’ny vahiny any ivelany fakan-tahaka ilay Madagasikara Vaovao hatsangana. Mila ovana aorian’ny fampihavanam-pirenena avokoa anefa hoy Ranaivo Jules ny teny filamatra, ny hiram-pirenena, ny sainam-pirenena ary ny diplaomasia mba hahafahana manatratra ny tanjona.
Ny firenena Frantsay hoy ity Raiamandreny ity no namono Malagasy maro indrindra hatrany amin’ny andron’ny fanjanahantany, ny ady lehibe roa nisy, ny 29 martsa, ny 10 aogositra 1991, ny 07 febroary 2009 nefa navelan’ny Malagasy ny helony mainka fa isika samy Malagasy tsy hahay hifamela ? Mikasika ny teny filamatra dia tokony hoe “Zanahary-Tanindrazana-Fandrosoana”; ny sainam-pirenena dia tokony hiloko “Fotsy-Maitso-Manga” mitsangana tsirairay ka foanana ny mena izay mitory fahalavoana ao anaty ra mandriaka. Tsy tokony hiraina intsony ilay hiram-pirenena hoe “Ry Tanindrazanay malala ô” fa soloina ilay hoe “Zanahary ô tahio ny Tanindrazanay”. Fametrahana an’Andriamanitra na Zanahary ho ambonin’ny Tanindrazana no anton’ireo fanovana ireo hoy ihany Atoa Ranaivo Jules. Toy ny antso any an’efitra ihany anefa ny azy raha tsy misy taitra amin’izao lazainy izao ny mpitondra ankehitriny satria tsy tokony hanavahana olona na sokajin’olona ny famahana ny olana misy eto amin’ny firenena.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.