Politique

Ranaivo Jules “Maika ny fampihavanana an-dRavalo sy Rajoelina”


  • Alatsinainy 02 Jolay 2012

Tsy sasatry ny manao antso avo mba hampihavana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina Atoa Ranaivo Jules ao Ambatofinandrahana ka nampiantso mpanao gazety tao Ambatofinandrahana ny zoma 29 jona 2012 teo.

 Samy olo-manankaja sy samy Raiamandreny ara-pitondrana saingy samy zanaka avokoa izy mirahalahy ireo, hoy Atoa Ranaivo Jules. Tokony hihavana izy ireo fa samy Malagasy ary samy Krisitianina no mitovy foko niaviana. Fomba telo no hampihavanana azy mirahalahy ireo araka ny fahitan’Atoa Ranaivo Jules azy dia amin’ny alalan’ny soratra masina, ara-tantaram-pirenena ary ara-pahendrena Malagasy.

Amin’izao vanim-potoana fankalazana ny tsingerintaona faha-52 nahahazoana ny fahaleovantenam-pirenena izao no tokony hisian’ny fampihavanana ireo mpitondra ireo fa raha tsy tanteraka io dia mbola hiaina anaty krizy mandrakariva ny Malagasy. Nosarihany ny sain’ny maro mba hamerina ny zava-niainan’ny Malagasy tamin’ireo ady lehibe roa sy ny vono moka nahazo ny Gasy tamin’ireo vanim-potoana nisian’ny fiovam-pitondrana teto. Sahintsika ny namela ireo vazaha Frantsay namono Malagasy maro, hoy ihany Atoa Ranaivo Jules fa rehefa isika samy Malagasy indray ve no hifampivahavalo ? Mikasika ny fihazakazahan’ny mpitondra hanao fifidianana eto amin’ny firenena dia tsy mbola fotoana tokony hanantanterahana izany izao fa fihavanana aloha vao fifidianana.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT