Politique

Ramparany Anthčlme Nandrehitra ny hatezeran’ny HVM Vatovavy Fitovinany


  • Zoma 05 Febroary 2016

Tantara mitohy ny resabe taorian’ny nanendren’ny filohan’ny Repoblika ny kolonely Botomanovatsara ho Senateran’i Madagasikara

 

. Ny HVM tany Vatovavy Fitovinany, indrindra ny tany Manakara no nahatsiaro ho tafintohina tamin’ny fanendrena an’io manamboninahitra miaramila io, noho ity farany tsy nanao afa-tsy ny nanenjika sy nanaratsy ny HVM tamin’ireny fifidianana Ben’ny tanàna natao ny 31 jolay 2015 ireny. Nanambana ny hanao fametraham-pialana faobe mihitsy aza ny mpikambana ifotony, indrindra ireo olomboafidy HVM Vatovavy Fitovinany taorian’ny fanendrena azy, na tsy mbola nanao fanambarana ofisialy izany aza izy ireo. Raha ny re dia olona avy any Mananjary na Nosy Varika no nantenain’ny HVM Vatovavy Fitovinany hotendrena Loholona, saingy ny kolonely Botomanovatsara no safidin’ny filohan’ny Repoblika. Gaga tamin’ny fanendrena azy hatramin’ny minisitry ny fiompiana Ramparany Anthèlme, ny HVM Vatovavy Fitovinany rahateo efa tsy nankasitraka, hoy ny loharanom-bavaovao. Omaly, raha naneho hevitra mikasika an’io Ramparany Anthèlme dia niova fiteny milaza fa hevitr’olona iray na roa tsy mitovy fomba fijery fa tsy hevitry ny HVM Vatovavy Fitovinany na HVM Manakara ny tsy fankasitrahana ny nanendrena ny kolonely Botomanovatsara. Vao mainka nampirehitra ny hatezeran’ny mpikambana any ifotony io fanehoan-kevitr’ity minisitry ny fiompiana io.  Izahay aza efa nangina, rehefa izay no safidin’ny filoha, hoy ny mpikambana nefa toa Ramparany Anthèlme indray no manao teny mampizarazara. Ny nangina toa anay no mety aminy, hoy hatrany ny feo fa tsy manao fihetsik’olona miaro seza toy ireny.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT