Voailika faobe tao amin’ny governemanta Ravelonarivo, ary noraisin’ny filoha Rajaonarimampianina hanatevina ny governemantan’i Mahafaly Olivier ny minisitry ny fiompiana teo
aloha Ramparany Anthelme. Solombavambahoaka voafidy tao Mananjary tamin’ny 20 desambra 2013, avy amin’ny lisitra « Indépendant Fihavanana sy Fampandrosoana Mirindra » ity farany nialoha ny nanendrena azy ho minisitry ny tontolo iainana sy ny ala tao amin’ny governemanta Kolo Roger ary nitohy tao amin’ny governemanta Ravelonarivo Jean, minisitry ny fiompiana. Ny andininy faha-71, andalana faha-2 ao amin’ny lalàmpanorenana rahateo milaza fa miala avy hatrany tsy ho mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena izay solombavambahoaka voatendry ho minisitra, ary dia soloina ny mpiandry toerana iray lisitra aminy. Rtoa Mananjara Rufine Aurélie, kandida mpisolo toerana, no notondroin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana nisolo ny toerany tao Tsimbazaza. Ny andininy faha-69 ao amin’ny lalàmpanorenana ihany no mamaritra fa dimy taona ny fe-potoam-piasan’ny solombavambahoaka. Koa satria tsy mbola tapitra ny fe-potoam-piasan’ny depiote voafidy tamin’ny 20 desambra 2013, dia afaka miverina mandray ny toerana maha solombavambahoakan’i Mananjary eo anivon’ny Antenimieram-pirenena Ramparany Anthelme raha manao fangatahana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny tenany. Tranga izay tsy vaovao, fa efa nampiharina tamin-dRandrianarisoa teraka Ramahatodisolomanana Vaonalaroy, izay niverina naka ny toerana maha solombavambahoakan’i Brickaville azy, voafidy tamin’ny lisitra « Mpirahalahy Mianala » rehefa rava ny governemanta Kolo Roger tamin’ny janoary 2015.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.