Politique

Ramboasalama Emilien Efa nanompo, ary mbola hanompo tanindrazana


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Espace Mahatazana eny Fort Voiron ny sabotsy 30 martsa lasa teo ny kandidan’ny TIMK25 ao amin’ny Boriborintany faha-4,

 

 

 

 izay tarihin’ny kolonely Ramboasalama Emilien. Nahazo tsodrano tamin’ny filoha mpanorina ny antoko dia i Marc Ravalomanana izy ireo. Izy no notendren'ny TIM K25 rehefa vita ny sivana. Tsotra ny hafatro, mila mitazona ny maha izy antsika isika, mila mitazona ny maha izy azy ny antokontsika, ary mijoro hatramin'ny farany amin'ny foto-kevitra nijoroana hatrizay sy miasa miaraka hanatanterahana ny tanjona fitsinjovana ny vahoaka sy fampandrosoana ny firenena fa tsy miara-miasa izany hoe miasa aloha vao miaraka, raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana tamin’izao nanolorana an-dRamboasalama Emilien sy ny mpiray lisitra aminy. Laharam-pahamehana 3 lehibe ho anay ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, fijerena ny lafiny fananan-tany sy ny resaka fananganan-tranon’ny olona, ary ny resaka sosialim-bahoaka, hoy kosa ny kandida Ramboasalama Emilien, izay laharana faha-4 ao amin’ny bileta tokana. Efa vonona ny kandida sy ny ekipany, araka ny hoe “ho an’ny tanindrazana”, teny fanevan’ny miaramila mpanompo firenena amin’ny maha miaramila azy izay 38 taona nilomanosana tao, raha ny nambarany. Ny andro kely sisa iainana dia hatokana ho an’ny fanasoavana an’Antananarivo, indrindra ny boriborintany faha-4, hoy hatrany ny kandida Ramboasalama Emilien izay naneho fa tsy handraraka ilo mby an-doha, fa hanao izay tratra amin’ny fanasoavana ny tanindrazana. Efa nanompo ary mbola hanompo tanindrazana

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT